Mbola tsy voafehy ny dinan’ny faritra Vakinankaratra tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana sy ny asa dahalo na dia efa nisy aza ny fandraisana andraikitra nataon’ny fitondram-panjakana. Ho an’ny distrikan’ i Mandoto izao dia ny halatr’omby no tena mibahana ka anisan’ny mampikaika ny mponina. Manoloana izany, hanatanteraka atrik’asa hifanakalozan-kevitra hametrahana ny dinan’ny Mandoto manokana ireo tompondraikitra voakasika izany sy ireo hery velona rehetra amin’ny faha-13 sy 14 ny volana jona 2016 ho avy izao. Nohamafisin’ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’ i Mandoto, Nantenaina ANDRIAMBOAVONJY fa ny firaisan-kinan’ny vahoaka no hany lalan-tokana hiadiana amin’ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana.
Noho ny fangatahan’ny vahoaka, efa nisy ny fanampian’ny Ministeran’ny Foloalindahy sy ny Faritra ny kaominina Betsoahana. Miaramila miisa dimy antsoina hoe “DAS na Détachement Autonome de Sécurité” no nalefa tao amin’io kaominina io ho fanamafisana ny ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalemana. “Isaorana ireo tompondraikim-panjakana ireo fa namaly ny fangatahan’ny mponina”.
Mbola hitohy hatrany ny ezaka ho an’ny kaominina hafa mandrafitra ny Distrika.
Nantenaina Andriamboavonjy liked this on Facebook.
Miaram Pitia Harentsoa Sarobidy liked this on Facebook.
Georges Raoul liked this on Facebook.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Laticah Randriamananjara liked this on Facebook.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Zo Raheriniaina liked this on Facebook.
Razanakoto Tojo Hasina liked this on Facebook.
Faby Andritiana liked this on Facebook.
NYko Pike liked this on Facebook.