Vatana salama, saina matsilo no foto-kevitra ijoroan’ny fikambanana ASCA. Nampianatra ny taranja baolina kitra sokajy zazavavy sy zazalahy, 9 ka hatramin’ny 14 no niandohan’ny fikambanana “Association Sporting Club Ambavahaditokana”. Nivoatra araka ny toetra andro izany taty aoriana ka niforona indray ny ASCA Dance.
Mivondrona ao anatiny ny ASCA Dance avokoa ireo tia manao fanatanjahantena amin’ny alalan’ny karazana dihy na “zumba”. Ny sabotsy faha-19 ny volana novambra teo izao, nampahafantatra ny fisiany ny fikambanana. Tamin’ny alalan’ny diabe niainga teny amin’ny biraon’ny kaominina Ambavahaditokana ary niafara teny amin’ny kianja filalaovana basketball no nanamarihany izany. “Tanjon’ny hetsika ny fampahafantarana ny mponina fa misy ny fikambanana manampy ny olona te hitaiza vatana amin’ny alalan’ny dihy”, hoy ny Ben’ny Tanana an’Ambavahaditokana, Bruno ANDRIAMIHAJA sady mpikambana ao amin’ny ASCA.