Tsy maintsy mandray anjara amin’ny lalao isam-paritra ny mpiasam-panjakana manerana ny Nosy raha te handray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly, karakarain’ny “Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires (ASIEF). Notanterahina ny 31 mey 2024, teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny lalao famaranana iadiana ny amboara ho an’ny faritra Analamanga, taranja basketball sy volleyball. Nozaraina tamin’io fotoana io ihany koa ny amboara ho an’ny ekipa mpandresy. Tafiakatra 8.000 ny mpiasam-panjakana efa nisoratra anarana amin’ny lalao nasionaly, tontosaina ny 5 ka hatramin’ny 18 aogositra 2024, any Antsirabe. Tokony ho tapitra 31 mey 2024 teo ny fara-fisoratana anarana fa nohitarina hatramin’ny 21 jona 2024 izany, noho ny fangatahan’ny besinimaro, araka ny fanazavan’i Andrianarisoa John na i John Love, Filohan’ny ASIEF. Ao amin’ny tranokalan’ny ASIEF no hanaovana izany. “Tsy maintsy misoratra anarana ao amin’ny tranokala mba ialàna amin’ny hosoka satria mahamenatra izany mpiasam-panjakana mangalatra taona kanefa tokony ho modely eny anivon’ny amin’ny fiarahamonina. Hisorohana izany mihitsy no nametrahana ny tranokala”, hoy izy. Taranja 17 no hifaninanana mandritra ny lalao nasionaly. Baolina kitra, baolina lavalava ho an’olona fito, « basketball », « volleyball », « handball » ny taranja iraisana. Lomano, hazakazaka (athlétisme),hazakazaka am-bisikileta (VTT), tsipy kanetibe, « danse sportive et traditionnelle», « belote », « arts martiaux », « tennis » kosa ny taranja ho an’olon-tokana.
Misoroka aretina maro ny fanatanjahantena
Nambaran’ny Filohan’ny ASIEF fa fanafody tsy vidiam-bola, entina miady amin’ny aretina isan-karazany toy ny diabeta, tosidrà, aretin’ny fo sy lalan-drà, homamiadana, raritsaina, fahatavezana ny fanaovana fanatanjahantena. “Anisany mitàna andraikitra goavana eto amin’ny firenena ny mpiasam-panjakana ka misy fiantriaikany izany raha ohatra mpiasam-panjakana tsy salama, sy taizan’aretina. Noho izany, antsoina ny mpiasam-panjakana rehetra hanao fanatanjahantena ho fikoloana ny vatana sy ny fahasalamana”. Tsikaritra fa nitombo ny isan’ny mpiasam-panjakana manao fanatanjahantena. “25 % ny mpiasam-panjakana no nanao fanatanjahantena tamin’ny fito taona lasa. Efa ho 85 % amin’izy ireo no manao izany ankehitriny”, hoy ny filohan’ny ASIEF. Ho fanomanana ny fifaninanana nasionaly 2024 dia hidina any Antsirabe ny mpikarakara amin’ny herinandro ho avy izao. 15.000 no mpandray anjara andrasana amin’ity taona ity.
Lynda A.