ASOIMI: Taom-pilalaovana 2016, ho hentitra ny fitsipika.

Fepetra iray manatsara ny fahasalamana ny fanaovana fanatanjahan-tena. Tsy ambaka amin’izany ireo mpikambana ao amin’ny ASOIMI na “Association Omniprésent  Inter-Ministériels  et Institutions”.  Ho an’ny taona 2016, nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ny taom-pilalaovana ka « ny volana jolay no hanomboka ny fifanintsanana ary ny 5 septambra ny lalao famaranana iadiana ny tompondaka nasionaly », hoy Abel RANDRIAMIARINARIVO, Filoha Nasionalin’ny ASOIMI.  Taranja miisa 16 no holalaovina  amin’izany. Miavaka kely kosa ny faritra Boeny satria misy Beach Volley . Mba hisian’ny lalao manaraka ny fenitra, miara-miasa amin’ny federasiona ny fikambanana amin’ny alalan’ny fampiofanana ny mpikambana.

Ho hentitra ny fitsipi-dalao amin’ity andiany ity satria ho voasazy ireo ekipa mampiasa “mercenaire”.

Ankoatran’ny faritra enina, voarakotry ny fikambanana ASOIMI avokoa ny faritra eto Madagasikara. Hatrany amin’ny presidansa, primatiora, ministera sy ireo ivon-toeram-panjakana rehetra dia saika misy mpikambana avokoa.