Tsy voasakan’ny halaviran-toerana ny fanaovana asa soa. Anisany nolalovan’ny andro ratsy Francisco ny faritra Atsinanana tamin’iny volana febroary 2020 iny. Lasibatra tamin’izany ny distrikan’i Mahanoro. Amin’ny maha mpanao asa sosialy ny “association Baobab de Mahajanga” dia nitondra ny anjara birikiny ho fanampiana ireo traboina tao amin’io distrika io ny fikambanana, ny 15 martsa 2020 lasa teo.
Coronavirus
Tanora karana, teratany Malagasy niara-nianatra tany Mahajanga no namorona ny “association Baobab” ny taona 2018. Ankoatra ny fizarana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia ao anatin’ny asa ataon’ny fikambanana ihany koa ny fanamboarana vovon-drano, ny fizarana “kit scolaire”, ny fizarana sakafo isaky ny fokontany ka in-droa isankerinandro ny eto Antananarivo. Ho an’ny lafiny fahasalamana indray dia manome fampitaovana toy ny kidoro, fandriana ary famatsiana fanafody ho an’ireo toeram-pitsaboana fototra (CSB) sy hopitaly any amin’ny ambanivohitra ity fivondronan’ireo tanora karana avy amin’ny “communauté Khoja” ity. Manana vina handray anjara amin’ny fanavotana ny tanindrazana manoloana ny otrikaretina Coronavirus izy ireo ka ho taterina eto ihany ny andinidininy izany.
Lynda A.