Nizara fanampiana ho an’ny beantitra ny Association La Charité de Madagascar ny sabotsy 15 aogositra 2020 teny amin’ny foibeny Andranomena Ambony. Noho ny fanohanana avy amin’i Mourtaza sy Hozaifa avy any Ihosy no nahafahan’ny fikambanana nizara ireo vary, menaka, siramamy ary arotava ho azy ireo. « Hitohy isaky ny sabotsy , any amin’ireo fokontany hafa eto Antananarivo ity fizarana vatsy ho an’ny benatitra ity », hoy ny filohan’ny fikambanana, Zouber Assenjee.
Lynda A.