ASSOCIATION LA CHARITE DE MADAGASCAR: Tsy nanavaka antokom-pivavahana ny fankalazana ny Eid Al-Kabir

Niara-nifety. Tao anatin’ny telo andro nisesy dia nizara hena ho ana fianakaviana miisa 1765 ny “Association La Charité de Madagascar” ho fanamarihana ny Eid Al-Kabir 1441/ 2020. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Zouber Asenjee fa “fetin’ny faran’ny taona ho an’ny mpino silamo sady fanaovana sorona ny Eid Al-Kabir. Nambarany fa “fahatsiarovana ny zava-nisy nisehoan’Andriamanitra tamin’i Ibrahim sy ny saika hanaovany sorona an’i Ismael zanany (tantaran’i Abrahama sy Isaka raha amin’ny baiboly kistrianina) ity fety ity ka tsy maintsy manao sorona ondry na osy na omby ho fahatsiarovana izany taty aoriana. Ny 31 jolay ka hatramin’ny 02 aogositra 2020 dia namono ondry, osy ary omby ny fikambanana ary nozarainy tamin’ny rahalahy sy rahavavy mpino silamo sy avy amin’ny antokom-pvavahana hafa ireo hena. “Tsy nanavaka antokom-pivavahana ny fizarana hena nataonay ary isaorana ireo nanolotra ireo biby ireo”, hoy Zouber Asenjee.

Lynda A.