Biby tena ilaina amin’ny tontolo an-dranomasina ny atsantsa sy ny makoba. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fitazonana ny fifandanjan’ny tontolo an-dranomasina izy ireo. Amin’ny maha mpihaza ambony indrindra azy dia mitazona ny rojo sakafo sy ny tahiry trondro, manampy amin’ny fanodinana otrikaina, mampihena ny aretina, ary mifehy ireo biby manafika. Ankoatra izay, mitana anjara toerana lehibe amin’ny lafiny ara-toekarena ihany koa ireto karaza-biby ireto. Mitentina eo amin’ny 400 ka hatramin’ny 500 tapitrisa dolara isan-taona ny vola ampidirin’ny jono atsantsa amin’ny toekarena manerantany. Ho an’i Madagasikara, miovaova isan-taona ny habetsahana naondrana ary nahitana fihenana lehibe izany nanomboka ny taona 2013, noho ny tsy fisian’ny politika mazava. Tamin’ny taona 1995 ka hatramin’ny 2003, ny habetsahana naondrana dia avy amin’ny 1300 taonina ka hatramin’ny 20.000 taonina isan-taona. Nitombo be izany ny taona 2004 ka hatramin’ny taona 2013, teo amin’ny 30.000 ka hatramin’ny 40.000 taonina. Nihena avo sasaka izany taorian’izay, latsaky ny 15.000 taonina, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Wildlife Conservation Society (WCS) eto Madagasikara, nandritra ny famoahana sy fanombohana ofisialy ny drafitra nasionaly ho an’ny fiarovana sy fitantanana lovainjafy ny atsantsa sy ny makoba eto Madagasikara (PNCGDRR), ny 02 septambra 2024, teny Antaninarenina. Vokatry ny asa ataon’ny olombelona, ny fiovan’ny toetrandro no tena antony mampihena ny tahiry amin’ireo biby ireo. Anisany mampirisika ny jono tsy ara-dalàna ohatra ny fitomboan’ny tinady eo amin’ny vokatra atsantsa eny an-tsena eto an-toerana sy iraisam-pirenena.
Ho fikajiana sy fitantanana maharitra ireo karajavamanaina an-dranomasina roa ireo no namolavolana ny PNCGDRR. Mpisehatra maro no niaraka nandrafitra izany, ao anatin’izany ministeran’ny jono sy ny toekarena manga, ny ministeran’ny tontolo iainana, ary ny WCS sy ireo mpisehatra maro voakasik’izany. Voarakitra ao anatin’io drafitr’asa io ny paikady sy ny tanjona hiarovana sy hitantana maharitra ny atsantsa sy makoba eto amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Ao anatin’izany ny fanombanana ny loza manambana an’ireo biby ireo sy fampahafantarana izany sy ny anjara asan’ireo biby ireo, ny fanatsarana ny fanangonana antontan-kevitra momba ny tahirin’ireo atsantsa sy makoba, ny fikarohana ara-tsiantifika ireo biby atahorana ho lany tamingana sy ny famelomana ireo karazany mihavery sy fanatsarana ny fandraisan’anjaran’ireo biby amin’ny firindran’ny rohivoahary, ho antoky ny filàn’ny fiarahamonina sy ny toekarem-pirenena. Eo ihany koa ny fitantanana maharitra sy tsara ny jono atsantsa sy makoba, ao anatin’izany fampiharana politikan’ny jono sy ny lalàna mifehy izany. “Manana iraka manokana amin’ny fitandroana ny zavamaniry sy biby manerantany, indrindra ireo miaina amin’ny tontolo dia ny WCS. Mitantana faritra arovana an-dranomasina dimy eto Madagasiakara ny fikambanana. Handray anjara amin’ny fanangonana antontan-kevitra sy torohay momba ny atsantsa sy makoba ny fikambanana. Ilaina be ny mahafantatra izany satria miantoka ny fitantanana maharitra azy ireo sy antoka lehibe ho an’ny tontolo iainana sy toekarena”, hoy i Lovy Rasolofomanana, Tale Jeneralin’ny WCS eto Madagasikara. Biby mpifindra monina ny atsantsa sy makoba. 211 ny karazan’izy ireo manerantany. Karazana atsantsa 80 sy karazana makoba 44 no mandalo eto fari-dranomasin’i Madagasikara. Karazana atsantsa 37 no sokajiana ho “andalam-paharinganana” ary 22 no sokajiana ho “ tahirin-kevitra tsy ampy”, araka ny lisitra mena avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana (UICN). Ahitana karazana atsantsa miisa roa sy makomba miisa roa tsy hita afa-tsy eto Madagasikara, araka ny fanazavan’i Rasamoelina Moïse, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. “Zava-dehibe ny fananana ity drafitra nasionaly ity mba ahafahana mitantana maharitra ireo atsantsa sy makoba sy mampihatra enjakenjana kokoa ny lalàna, indrindra ny jono tsy ara-dalàna izay anisany miteraka fahasimbana goavana amin’ny ny fitantanana maharitra ireo karazam-biby ireo”, hoy izy. Hatramin’ny taona 2027 ny fampiharana ny PNCGDRR. Mitentina 694.000 dolara na 2.427.500.000 Ariary ny tetibola ho ampisaina amin’izany.
Lynda A.