BEVOHOKA ALOHA LOATRA, SARO-PITERAHANA: Mety ho voan’ny aretina mamany lava ary matetika tsy azo ilay zaza

Azo sorohana tsara ny aretina mamany lava. Ireo vehivavy mitondra vohoka aloha loatra (latsaky ny 18 taona) no tena betsaka voan’ny aretina mamany lava na “fistule obstétricale”.  Tsy mbola matotra ny taola-maoja (bassin) hitondra ilay zaza, araka ny fanazavan’i Profesora Rantomalala Yoël, manam-pahaizana misahana ny aretina mamany lava eto Madagasikara. Rehefa tsy mbola vonona handray zaza ny taova dia lasa tery ny lalan-jaza na tery ny taola-maoja ka mahatonga fahasarotam-piterahana. Ny fahasarotam-piterahana na fihetsehan-jaza maharitra loatra anefa no antony maharovitra na mahagoaka ny tatavia ka lasa mamany lava avy eo. “Mihetsi-jaza maharitra loatra ilay vehivavy dia kenda ao anatin’ny  bassin ilay zaza. Manery ny tatavia amin’ny taolan’ny bassin ny  lohan’ilay zaza iny. Rehefa tsy mahazo rà ilay taova dia goaka. Matetika ary eo amin’ny 100 % eo dia tsy azo ilay zaza. Sady maty ilay zaza no rovitra ny tatavia na tsinaim-body”, hoy hatrany Pr Rantomalala Yoël. Nanazava ihany koa i Tahiry Elisoa Sarah Miora, tomponandraikitra ao amin’ny Sainte Fleur fa  ny “lohan-jaza rehefa midina ao amin’ny lalan-jaza dia manindry ny tatavia ka rehefa ela be mihetsi-jaza , maharitra 3 andro ohatra, dia goaka ny tatavia. Rehefa goaka ny tatavia dia tsy mandeha any amin’ny fantsony tatavia ilay amany  fa mandeha any amin’ny lalan-jaza”. Mba hisorohana ny aretina dia tokony  miandry ampy taona vao miteraka, araka ny torohevitry ny mpitsabo. “Matetika tokony ho didiana ny tratry ny aretina mamany lava ka  tokony omanina mialoha izany. Ny tokony atao dia manatona toeram-pitsaboana. Misafo dia hita eo na ho tafavoaka sa tsia ary manatona hopitaly akaiky ahafahana manao fandidiana”, hoy Pr Rantomalala Yoël. Isan-taona, mikarakara hetsika fandidiana maimaimpoana ny hopitaly Sainte Fleur, ao Anosy. Ny volana mey sy volana oktobra na novambra no hanatanterahana izany.

Hetsika fandidiana maimaim-poana

 Nanomboka ny 27 mey 2024 dia vehivavy 22 no nahazo fandidiana tao amin’ny Sainte Fleur.  Avy amin’ny faritra Atsinanana ny ankamaroan’ny marary fa misy ihany koa avy any Vatovavy, Fitovinany, Alaotra Manogro, Menabe ary Analamanga. Anisan’ireo nisitraka ny fandidiana i Sea, 20 taona,  mipetraka ao amin’ny fokontany Andramavola, Vatomandry. Ny alatsinainy 27 teo izy no nodidiana. Fito volana teo izy no niaina niaraka tamin’ny aretina mamany lava. Nandritra ny roa andro izy no nihetsi-jaza, araka ny fitantarany. Sarotim-piterahana izy ka namonjy hopitaly tao Andovananto  ary tsy maintsy nodidiana ny sabotsy ny 8 oktobra 2023. Indrisy anefa fa tsy azo ilay zaza ary taorian’izay dia sady tratry ny aretina mamany lava izy. In’efatra niteraka i Sea. Tsy azo  avokoa ny zanany telo, anisan’izany ilay nateraka tamin’ny oktobra 2023. Raha ny vinavina dia vehivavy 5.000 isan-taona no tratran’io aretina mamany lava io. 1000 amin’ireo ihany anefa no voaray an-tanana na mahazo fandidiana isan-taona.  Any amin’ny faritra Atsinanana no tena ahitana taha ambony amin’izany.  Ho fampihenana ny isan’ny vehivavy tratry ny aretina mamany lava ho 50 % ho an’ny taona 2025 sy  hanafoanana tanteraka ny aretina hatramin’ny  taona 2030 dia misy ny hetsika fandidiana maimaim-poana, atao in-droa isan-taona. Amin’ity volana jona ity no ny andiany volaohany, atao any Fianarantsoa.  Ny volana aogositra, any  Ambatondrazaka  ny andiany faharoa ary hitohy ny volana oktobra any Ambovombe izany. Maimaim-poana ny fandidiana mandritra ny hetsika. Hiantohana ny fanafodin’ny marary, ny sakafon’ny marary  sy ny mpanaraka azy mandritra fitsaboana, ny fitaterana azy ireo any amin’ny toerana niaviany mankany amin’ny toeram-pitsaboana sy ny fodiana, ny kojakoja ilaina toy ny koveta, lambahoany, lambam-pandriana, savony… Mandritra ny 21 andro eo ny marary no mijanona any amin’ny toeram-pitsaboana aorian’ny fandidiana. Mitentina 1.966.000 Ariary sarany ny fitsaboana marary iray raha atambatra saingy natao maimaim-poana izany. Anisany manohana ara-bola amin’ny hetsika fandidiana ny Tahirim-bolan’ny firenena mikambana misahana ny mponina (UNFPA) satria ao anatin’ny iraka ataony ny fanamorana ny fisitrahan’ny mponina tolotra  momba ny fahasalamana ara-pananahana mba ahafahan’ny vehivavy miteraka amin’ny fomba azo antoka sy lavitry ny loza. Efa maro ny toeram-pandidiana aretina mamany lava manerana an’i Madagasikara ka manentana ireo olona tratran’izany ny mpitsabo mba hanatona ny toeram-pitsaboana akaiky azy.

Lynda A.