Hiakatra an-tanety anio 07 martsa 2017 any Antalaha ny rivo-doza mahery ENAWO. Efa miomankomana ny ekipan’ny BNGRC ho fiatrehana izany na eto Antananarivo na any amin’ny faritra handalovan’ny rivo-doza. Hatreto dia ny fanampian’ireo mpiara-miombona antoka amin’ity sampandraharaha misahana ny fitantanana ny loza no entina hiatrehana ny loza voajanahary. “Tsy manana teti-bola mivaingana ho amin’izany ny BNGRC fa ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa sy ny fanentanana ny mponina no teti-bola eo am-pelantananay”, hoy i Thierry VENTY, Sekretera Mpanatanteraky ny BNGRC .
Na dia eo aza izany, efa voafaritra ireo toerana hametrahana ireo traboina raha sanatria misy izany mandritra ny rivo-doza ENAWO sy aoriana raha ny eto Antananarivo renivohitra manokana. Miisa enina eo izy ireo.