BNGRC: Tandidomin-doza ny tendrombohitr’ i Manjakamiadana sy Ambatomaro.

Efa manodidina ny 23 no maty ary 82 275 no traboina vokatry ny fihotsahan’ny tany sy ny faharavan-trano teto amin’ny faritra Analamanga, Alaotra Mangoro ary Vakinakaratra raha ny salan’isa nomen’ny BNGRC. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahaizan’ny BNGRC sy ny  tranom-pikarohana, toy ny LNTP, IOGA, FTM ny tendrombohitra Manjakamiadana sy Ambatomaro manokana dia ahitana fahatriarana ny vato ary efa mihamiala amin’ny renim-bato izany. Tsikaritra ihany koa fa mitohy hatramin’izao ny fietsehan’ireo vato ireo. Manoloana izany, efa nisy fanentanana ny mponina mipetraka eny an-toerana  hiala haingana nanomboka ny 02 Martsa lasa teo. Mahakasika ny Avarata Ankatso dia trano 200 isa amin’ny 1000 olona no voakasika amin’ny fanalana ary ny eny amin’ny Antsinann’ny Manjakamiadana kosa dia trano 300 isa amin’ny olona 1000 no tsy maintsy hoesorina. Nambaran’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina Cl RABEMANANTSOA Michel fa tsy maintsy misy ny fanalana amin-kery raha tsy miala ireo mponina voakasika mba ho fiarovana ny ainy izy ireo izany. Nohamafisin’ny teknisiana iray ao amin’ny BNGRC Dr ANDRIAMIRADO Lalah ihany koa fa toerana tsy azo honenana intsony iny Andrefan’Andohalo iny ary faritra mena ny Antsinanan’ny fanapahan-dohan’ny Mpanjaka ka hatrany amin’ny Miadanarivo Ambanidia iny. Manentana ny olona tsirairay izany ny BNGRC mba ho mailo ary hijery sy hanamarina ny manodidina ny tranony.

Marihina fa mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ireo teknisiana eo anivon’ny BNGRC mahakasika ny fivoaran’ny fiotsahan’ireo vato eny Ambatomaro sy Manjakamiadana.

Lynda A.