Efa tamin’ny taona 2001 no nisy ny Ivo-kolo fa CLAC no anarany tamin’izany. Ny taona 2008 vao niforona ny CEMDLAC. Toerana famakiam-boky sy fanentanana ara-kolontsaina natao ho an’ny daholobe ny CLAC ary ny CEMDLAC no miandraikitra ny fandrindrana amin’ny ankapobeny , ny fanaraha-maso ny asa rehetra mahakasika ny fampiroboroboana izany. Anisany mamatsy boky ity ivon-toerana ity ny OIF ka nanararaotra nitsidika teny Analakely ny Sekretera Jeneralin’ny OIF, Michaëlle Jean ny alakamisy teo. Mifanandrify amin’ny fanomanana ny fihaonamben’ny firenena mampiasa ny teny frantsay andiany faha-16 atao eto Madagasikara ihany koa io fitsidihana io.
Nandritra io fotoana io, nisy ny fampirantiana ho fampahafantarana ireo boky sy ny kolontsaina Malagasy ary ny zava-bitan’ny ivo-kolo.