Niakatra ho 718.656 ny mpifidy voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana ho an’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA). Raha oharina amin’ny lisi-pifidianana nofaranana tamin’ny aprily 2017, niakatra 4, 81 % ny taha-pahavitrihan’ny mpifidy nisoratra anarana ho isan’ny mpifidy amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ho an’ny boriborintany enina, araka ny tarehimarika navoakan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidiananana (CENI) ny 11 janoary 2018.
Nampahafantarina nandritra ny dinik’asa nataon’ny CENI niaraka tamin’ny lehiben’ny fokontany sy ny lefitry lehiben’ny fokontany, mandrafitra ny CUA izay notontosaina tamin’io daty io fa manana 20 andro ny mpifidy, tsy mbola voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana hanoratra ny anarany eny amin’ny biraom-pokontany. Hatramin’ny 31 janoary 2018 ny fe-potoana nomen’ny CENI hanaovana izany. « Aorian’io daty io, handrafitra ny lisi-pifidianana vonjimaika izahay. Haverina eny anivon’ny fokontany indray izany. Mbola afaka manoratra ny anarany ireo tsy mbola tafiditra ary manamarina ny mombamomba azy kosa ireo efa voasoratra sao misy diso », hoy ny Lehiben’ny CENI, Hery RAKOTOMANANA.
Datim- pifidianana
Mba hisian’ny fangaraharana, mamporisika an’ireo antoko politika na firaisamonim-pirenena hiditra ao anatin’ny vaomiera ifotony mpanara-maso ny fanisana ny mpifidy (CNRE). Nambaran’ny Filohany CENI fa afaka mandefa solontena roa isaky ny antoko na fikambanana.
Marihina fa mbola mipetraka hatrany ny fanambin’ny CENI ny hampiakarana isan’ny mpifidy ho 10 tapitrisa amin’ny fifidianana Filoham-pirenena izay ho tontosaina eo anelanelan’ny 25 novambra ka hatramin’ny 25 desambra 2018.