CENTRE DE FERTILITE DE MADAGASCAR: Afaka ny hitoe-jaza foana na momba aza.

Toeram-pitsaboana voalohany manampy  ireo mpivady manana olana amin’ny tsy fananan’anaka ny « Centre de Fertilité de Madagascar ». « Azo atao tsara ny mahazo zaza na dia momba aza », hoy  ny dokotera RAKOTOBE Andriamaro, tomponandraikitra voalohany ao amin’ity toeram-pitsaboana ity.

Santionany amin’ny fahazoana zaza ny fampitambarana ny tsirinain’ny lahy sy ny vavy na ny FIV/ICSI. Araka ny fanazavan’ny dokotera hatrany, tsy mena-mitaha amin’ny fitsaboana any ivelany  ny fitsaboana ataon’ny  Centre de Fertilité de Madagascar na ny CEFERMAD.

Anisany tsy mampiteraka ny vehivavy ny fahatsetseman’ny « trompe». Tsy  fahatanjahan’ny  tsirinaina kosa ho an’ny lehilahy.

Raha mila fanazavana fanampiny, mandray anjara mandritra ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana, eny amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely  ny CEFERMAD. Ny sabotsy 08 jona no hifarana ny hetsika.