Dr Fidy BARINIAINA
Hetsika fanaon’ny » clinique Fidy » eny amin’ny firaisana fahadimy ny fanaovana didim-poitra maimaim-poana an’ireo zaza eny an-toerana. « Hitsinjovana ireo ray aman-dreny sahirana no antony ny hetsika », hoy ny Dr Fidy BARINIAINA. Fomba Malagasy sy ara-pahasalama ny famorana ka tokony ho tanterahina, hoy hatrany izy. Nanomboka ny talata teo ny hetsika ary hifarana ny zoma 15 Mey 2015. Ankizy 300 no nahazo tombontsoa amin’izany. Miara-miasa amin’ny « croix rouge » Malagasy ity toeram-pitsaboina ity amin’ny fanatontosana izao famorana izao.
Marihina fa isan-taona izy ireo no manao izao asa soa izao ary didipoatra amin’ ny fomba amerikana no nanaovana ny hasoavana ireo ankizy izay mampalaza ity toeram-pitsaboana ity.
Lynda A.