CLUB RIVOTRA :CLUB RIVOTRA: Mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Samy mahatsapa ny tsirairay fa efa mihanaka manerana an’izao tontolo izao ny voka-dratsy aterakin’ny fiovaovan’ny toetra andro. Taorian’ny fivoriambe COP 21 momba azy io dia betsaka ny fepetra noraisina tamin’izany. Anisan’izany ny fambolen-kazo ka samy nandray izay anjara tandrifiny ny olom-pirenena tsy ankanavaka fa indrindra ireo ratsa-mangaika rehetra na miankina na tsia.

Ho an’ny mpihaino sy mpanaraka ny fandaharana “Rivotra” ao amin’ny onjam-peo “Radio Des Jeunes” na RDJ dia nanatanteraka fambolen-kazo ireo mpikambana ao anatin’izany. Zanaka hazo miisa 600 no novolena tany amin’ny kaominina Talatanivolonondry Amorarano ny alahady lasa teo. “Hitohy ny fanaraha-maso ireo zanaka hazo ireo mba ho vanona”, hoy ny Filohan’ny “Club Rivotra”, Lucien RAMAKABOANA.

Nomarihiny fanindroany amin’ity izay ny fikambanana no  nandray anjara tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Lynda A.