CNFM: Tandindomin-doza ny fahasalamana ara-pananahan’ny vehivavy eto Madagasikara

Vehivavy 10 isan’andro eto Madagasikara no maty aorian’ny fiterahana, araka ny tombana navoakan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS). 426 ny vehivavy maty am-piterahana amin’ny zaza teraka 100.000, araka tatitry ny Tahirimbolan’ny firenena mikambana ho an’ny fahazazana (UNICEF) momba ny fanadihadiana isam-bondrona mahasahana tondro  maro (MICS), natao tamin’ny 2018. Vinavinaina ho 75.000 isan-taona ny trangana fanalan-jaza antsokosoko ka vehivavy 575 amin’ireo no maty vokatr’izany. Tarehimarika nampatsiahivin’ny fikambanana Conseil National des Femmes de Madagascar (CNFM) nandritra fampahafantarana ny  « INNOVACTION », tetikasa miompana amin’ny zo sy fahasalamana ara-pananahana (DSSR) ireo voalaza eo ambony ireo. « Eto amintsika  mbola tsy voahaja ny zo ara-pananahana. Betsaka ny vehivavy maty eo am-piterahana. Mbola betsaka fanalan-jaza tsy ara-dalàna ka miteraka fahafatesan’ny vehivavy maro. Anisany antony faharoa mahafaty vehivavy betsaka ny fanalan-jaza. Eo ihany koa ny  fiterahana  tsy atrehan’ny  mpiasan’ny fahasalamana voaofana hanatanteraka izany. Tandindomin-doza ny fahasalaman’ny ara-pananahan’ny vehivavy sy ny tovovavy, indrindra manomboka 12 taona « , hoy i Andriamasy Estelle, Filohan’ny fikambanana, ny 28 septambra 2024, teny amin’ny Motel Anosy. Nambarany fa ilaina ny fanentanana sy fanabeazana ary ny firesahana ny fahasalamana ara-pananahana mba ialana amin’ny hoe: fady ny miresaka izany nefa misy fahafatesana be dia be ao ambadik’izany.

 Ho fanamafisana ny fanentanana sy fampahafantarana ny vehivavy sy tovovavy momba ny zo sy fahasalamana ara-pananahana, hampanan-kery ny fifanarahana momba ny sata afrikanina  ho fiarovana ny zon’ny vehivavy (Protocole de Maputo), hanentanana ny mpitondra ara-drazana momba zon’ny vehivavy mba ahafahan’izy ireo manentana vahoaka ary hanazavana misimisy kokoa amin’ny Solombavambahoaka ny maha zavadehibe ny Protocole de Maputo sy ny antony hanafainganana ny fankatoavana izany no antom-pisian’ny tetikasa INNOVACTION.  Nambaran’ny Filohan’ny CNFM fa fitaovana manan-danja hiarovana ny zon’ny vehivavy ny « Protocole de Maputo ». Voarakitra ao anatin’ny fifanarahana daholo ny sokajin’ny zon’ny vehivavy : zo amin’ny fiahiana ara-tsakafo, zon’ny vehivavy maty vady, fiarovana manokana ny vehivavy manana fahasembanana, fahasalamana sy fanarahamaso ny fiainana  ara-pananahana, fisitrahana fanabeazana….Miisa 32 ny andininy ao amin’ity fifanarahana ity ka ny andininy faha-14, andalana faharoa, tapany (c) no antony tsy ankatoavin’i Madagasikara azy na dia efa nanasonia fifanarahana aza ny taona 2004. Miresaka fanomezana alalana ny fampitsaharana vohoka ara-medikaly, raha toa ka vohoka azo avy amin’ny herisetra ara-pananahana, na fanolanana, na firaisana ara-nofo mamoafady na koa raha mampidi-doza ny fahasalamana ara-tsaina, ara-batan’ilay reny na ny ain’ilay reny ny ain’ilay zaza ao an-kibony, ny fitondrana vohoka io andalana 2c io.

Lynda A.