Efa an-dalam-pitsarana ny taratasim-panadinana tamin’ny fanadinana enim-bolana voalohany, ny 11 ka hatramin’ny 13 jolay teo ny ivom-pampianarana fampitan-davitra CNTEMAD. Raha tsy misy ny sampona, afaka iray volana eo dia hivoaka ny voka-panadinana.
60% amin’ny mpianatra 17.000 nisoratra anarana no niatrika ny fiodinana voalohany. “Nisafidy hiadina ny taranja rehetra amin’ny enim-bolana faharoa kosa ny ambiny, hoy ny Tale Jeneralin’ny CNTEMAD, Dr Djohary ANDRIANAMBININA. Nohamafisin’ity farany fa mbola mandray mpianatra foana ny CNTEMAD ka ny tapaky ny volana aogositra ny farany fisoratana anarana.
Nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana fiodinana voalohany ao amin’ny sekoly fampitan-davitra CNTEMAD.