Ho fanampiana ireo mpianatra indrindra fa ireo mbola marefo ka hiatrika ny fanadinam-panjakana, manolotra faradoboka ho an’ny mpanala BEPC sy BACC ny « Cours CPE ». Hampiakarana ny fahazaina ny mpianatra no sady hanazarana azy ireo manoloana ny laza adina rehetra amin’ny andron’ny fanadinana no antony izany.
Efa nanomboka tamin’ny 22 jolay ny fidirana ho an’ny mpanala BEPC ary hifarana ny 31 jolay. Ny faha 27 ny fidirana voalohany ary ny 10 Aogositra kosa ny faharoa ho an’ny mpanala BACC. Afaka misafidy ny ora ianarana na maraina na hariva ireo izay liana amin’izany.
Marihina fa ianarana avokoa ny taranja rehetra. Ny toerana anaovana ny « cours » ho an’ny eto Antananarivo renivohitra dia eny Anosy, Behoririka, Itaosy, Ampiatatafika, Andoharanofotsy, … »Misokatra malalaka ho anao ny biraon’ny CPE rehetra na eto Antananarivo na any amin’ny faritra « , hoy ny talen’ny fitantanana sy ny ara-bola, Rtoa Rojo.
Fanampiana ireo mpianatra mba ho afaka fanadinana no tena tanjon’ny CPE. Manoloana ny krizy eto amintsika, mitsinjo hatrany ny mpianatra ity ivon-toerana ity. Mirary tanteraka raha ny saram-pianarana no jerena.
Efa maro ireo ankizy nahazo tombontsoa tao amin’ny CPE nandritra izay enina ambin’ny folo taona nisiany izay. Raha ny valim-panadinana farany teo izao, 90% ny tahan’ny fahafahana ho an’ny fanadinana BEPC, 85 % kosa ny BACC, hoy hatrany Rtoa Rojo.
Raha liana amin’izany ary ianao dia manatona ny birao CPE akaiky anao.
Lynda A.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
bonjour,
mba mangataka ny contact-nareo azafady.
Misaotra tompoko
Mba afaka mamoaka sujet type ve hanaovana revision
Liana indrindra hampanao cours bacc ho an’ny zanako aho ka mba mila fanampim-panazavana indrindra ny contact ahazoana anareo fa misy mihitsy ato anaty tranokala anareo. Misaotra tompoko