DFP: Manana fandaharan’asa hahazoana ilay 10 miliara dolara.

Mbola ho henjana ny lalao vao azo tonga eo am-pelatanan’ny fanjakana Malagasy ny famatsiam-bola mitentina 10 miliara dolara. “Ny fanajana ny zon’olombelona, fampiharana ny tany tan-dalana sy demokratika ary fanjakana tsara tantana no fepetra ahazoana izany”, hoy  i Maharavo RATOLONJANAHARY, DFP. “Vao tamin’ny herinandro lasa izay no nanaiky, tao anatin’ny “dialogue politique” niaraka tamin’ny vondrona eropeanina fa  hanaraka ireo voalaza eo ambony ireo ny fitondram-panjakana. Mifanohitra amin’izany anefa no ataony amin’izao fotoana izao. Ohatra amin’izany ny fisamborana an’i Augustin ANDRIAMANANORO teny am-pandevenana.  Nanambara ity Filohan’ny Dinika ho Fanavotam-pirenena  (DFP) ity fa te hirona any amin’ny “financement parallèle” ny fitondrana  satria any no ahafahana mangalatra sy mameno paosy ary manao kolikoly. Mitaky fandaharana asa matotra sy tanterahina mantsy ilay famatsiam-bola azon’i Madagasikara tamin’ny « Conférence des Bailleurs et Investisseurs ».

Noho izany, manana fandaharana  asa efa vonona, hahazoana ilay vola be ny DFP. Mangataka fiarahamiasa amin’ny fanjakana ity farany.