DFP: “Tokony afindra any amin’ny toeran-kafa ny frankofonia”.

“Tokony afindra any amin’ny toeran-kafa ny fihaonana an-tamponyny firenena mampiasa ny teny Frankofonia, andiany faha-16”.Nanao fanambarana  ny mpikarakara ny Dinika ho Fanavotam-pirenena  (DFP) fa mbola tsy tomombana avokoa ny foto-drafitra asa handraisana ny frankofonia ary manjaka tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana. Hanatitra taratasy misokatra (letter ouverte) ho an’ny Filoham-pirenena Frantsay, Francois Hollande, ny Sekretera Jeneralin’ny OIF, Michaelle Jean ary ny masoivoho Frantsay  miasa eto Madagasikara mihitsy ity fikambanana fa tsy mety ny hanaovana izany eto amintsika.

Manoloana ny resaka mandeha fa nihaona tamin’ny Filoham-pirenena  ny fikambanana DFP ary efa nisy ny fifampiraharahana, niloa-bava  indray ireo lohandohan’ny mpisorona mikarakara ny Dinika ho Fanavotam-pirenena . “Tsy marina velively izany na dia efa nisy namana nanome tolo-kevitra fa tokony hihaona amin’ny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA ny DFP”, hoy Maharavo RATOLONJANAHARY, Filoha mpandrindra ny DFP. Nambarany fa tokony ny Filoha mihitsy no miantso fifampiresahana ary manaiky ny fanatanterahana ny dinika. Miantso ny Vondrona Eropeanina sy  ny masoivoho Frantsay miasa sy monina eto Madagasikara  ihany koa ny fikambanana amin’ny fanatontosana  izany. Nanao fanambarana ny DFP fa hanatitra taratasy misokatra (letter ouverte) amin’ireo ratsa-mangaika roa mahakasika ny frankofonia sy ny tsy fankatoavan’ny  fitondram-panjakana ny soso-kevitra naroson’ny   vondrona Eropeanina momban’ny fifidianana.