DIABETA : Hizara « glucomètre » maimaim-poana ny Centre Médical Marie Stella

Mora kokoa ny fitsaboana ny diabeta rehefa manana “glucomètre”. Isan-taona dia mikarakara hetsika iray volana iadiana amin’ny diabeta ny Centre Médical Marie Stella Analamahitsy.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 14 novambra 2020, andro manerantany ho an’ny diabeta izany hetsika izany. Manomboka ny alatsinainy 16 novambra 2020 dia manao fitiliana maimaim-poana momba ny diabeta ity tobim-pitsaboana ity. Ho fanampin’izay dia hizara “glucomètre“ na fitaovana fizahana ny tahan’ny siramamy maimaim-poana ho an’ireo diabetika ihany koa.  “Mora ny fitsaboana rehefa manana glucomètre”. Iaraha-mahalala fa lafolafo io fitaovana io. Eo amin’ny 100. 000 Ariary eo ny vidin’io amin’ny ankapobeny. Matetika ny olona  diabetika malaina hividy anio fa aleony hividianana fanafody. Tsikaritray nandritra izay 11 taona nanaovanay fitsaboana manokana ny diabeta izay fa io no anisany sakana tsy mahatomombana ny fitsaboana diabeta eto amin’ny tanindrazantsika eto”, hoy Dokotera Feziny. Nambarany fa glucomètre 325 eo no hozaraina maimaim-poana ho an’ireo tonga voalohany ary ho an’ireo afaka mividy dia antsasabidy no vola aloan’izy ireo. “Manainga antsika hijery ny toe-pahasalamana (…) Entanina ny tsirairay ho tomponandraikitra amin’ny fahasalamany. Ny tsirairay no ilaina handray an-tanana ny fahasalamana”, hoy i Dokotera Djaozandry avy ao amin’ny centre Médical Marie Stella. Araka ny fanazavany dia farafahakeliny  isaky ny ny enim-bolana ny olona salama no mijery fahasalamana.

Lynda A.