Mbola tsy miova ny fanapaha-kevitry ny DFP fa tsy maintsy tanterahina ny dinika ho fanavotam-pirenena. Hiakatra eto Antananarivo avokoa ireo mpikarakara isaky ny distrika hivory ary hanamafy ny paika ady hirosoana amin’ny dinika. Nanao fanambarana mihitsy ireo mpanara-dia ny DFP ny 29 septambra 2016. Nivoitra tamin’izany fa “tsy maintsy atao ny dinika”. Ao anatin’ny filan-kevitra nasionaly izay tontosaina ny faha-06 sy faha-07 ny volana oktobra 2016 ho avy no hanapahana ny daty.
Havoitra amin’ireo fotoana ireo avokoa ny tsy mety ataon’ny fitondram-panjakana, araka ny fanazavan’i Maharavo RATOLONJANAHARY, mpikarakara ny hetsika.
Manaraka izany, tsy ny raharaha Soamahamanina ihany no hanjakazakan’ny vahiny ny tanin’ny Malagasy fa efa miparitaka manerana ny Nosy mihitsy izany. Atsangana ny vovonana ivondranan’ny olom-pirenena rehetra hiady sy hiaro ny taniny ny fananany.
Donnah Ludovic liked this on Facebook.
Harena Mamiratra Fiharintsoa Samantha liked this on Facebook.