DIORANO WASH: Manampy ny fanjakana amin’ny tetikasa rano fisotro madio, fahadiovana ary fidiovana.

Nanatanteraka ny fivoriambe isan-taona teny amin’ny Hotel Panorama ny  Fikambanana DIORANO WASH nandritra ny roa andro. Fandinihana ny fiainam-bahoaka eo amin’ny sehatry ny rano no no vontoatin’ny fivoriambe ka navoitra tamin’izany fa mahavelona ny rano   ary mahafaty raha tsy voafehy. Iankianan’ny fahasalaman’ny vahoaka tanteraka ny fisian’ny rano fisotro madio, ny fahadiovana ary ny fidiovana ka tokony atao laharam-pamehana amin’ny fandaharan’asa ny fanjakana.  Anisan’ny antom-pisian’ny DIORANO WASH izany satria izy no nanampy ny fanjakana tamin’ny fandrafetana ny paikady hampiroboroboana ny rano fisotro madio, fahadiovana sy fidiovana eto Madagasikara, hoy ny Mpandrindra Nasionaly Atoa RAKOTONDRAINIBE Herivelo. Efa nisy ny vokatra azo tsapain-tanana nandritra  ny telo taona nisian’ny DIORANO WASH teto amintsika, hoy hatrany ity farany. Ohatra amin’izany, 10000  no isan’ny tanana voadio tanteraka ary tsy misy manao maloto an-kalamanjana intsony. Nohamafisin’ity filoha Nasionaly ity fa tsy misy fampandrosoana raha tsy atao laharam-pamehana ny rano fisotro madio, ny fahadiovana ary ny fahadiovana, izay anisan’ny tarigetran’ny Filoham-pirenena rahateo.

Nampiavaka ity fivoriam-ben’ny DIORANO WASH ity ihany koa ny fifidianana ny mpandrindra Nasionaly vaovao hitondra ny fikambanana mandritra ny telo taona ho avy. Ankoatra izany, efa misy ny vina hotratrarina  ao anatin’ny  15 taona dia ny fahazoan’ny Malagasy rehetra rano fisotro madio, fahadiovana ary fidiovana mba hanafoanana indrindra ny fangerena eny rehetra eny, hoy ny solontena maharitry ny WaterAid Atoa Lofy RASOLOFOMANANA. Tokony ny antsasaky ny vahoaka Malagasy,hoy izy, no hahazo izany.

Marihina fa 200 no isan’ireo mpisehatra mivondrona ao amin’io fikambanana io ary, 150 mahery ny mpandray anjara tamin’izany izay nahitana solontena avy amin’ny faritra 22 manerana ny nosy.

Lynda A.