Hihamafy noho ny teo aloha ny kere any Atsimo. Tafiakatra 8000 Ariary ny rano iray bidon 20 litatra ao amin’ny distrikan’i Tsihombe. Ny kaominina Marovato sy Anjapaly no tena ahitana izany, araka fanazavan’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Tsihombe, Masy Goulamaly. Raha atao ny kaijkajy dia eo anelanelan’ny 100.000 Ariary ka hatramin’ny 400.000 Ariary ny rano 1 metatra toratelo, hoy izy. Ny eto Antananarivo anefa hoy izy 415 Ariary ny rano 1 metatra toratelo ny rano vatsian’ny Jirama. « Ho an’ireo tsy manambola dia tsy misotro rano. Misy ireo mividy rano fa tehirizina ho sotroina ary tsy misakafo. Izay mahatonga ny kere. Rariny loatra raha hiditra sahady ao anatin’ny hanoanana ary matahotra aho fa ho dilan’ny teo aloha », hoy ny Solombavambahoaka Masy Goulamaly naneho ny heviny momban’ny kere any Atsimo. Hihaona amin’ny tomponandraikitrin’ny ministeran’ny rano sy UNICEF ny tenany androany 17 oktobra 2022 hijerena vahaolana haingana ho an’ireo mponina satria tsy misy mihitsy ny rano, araka fanazavany.
Lynda A.