Douane : Hohatsaraina ny sehatry ny fifanakalozana ara-barotra.

Mifampiankina avokoa ny sampandraharaha rehetra miandraikitra ny famoahana entana ivelan’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Nisy ny atrikasa nokarakarain’ ny sampandraharaha eny anivon’ny Douane niaraka tamin’ny Centre du Commerce International ( CCI) sy ireo sehatra miasa manodidina an’ izany.  Ho fanamafisana ny fametrahana tsara ny fifanarahana nataon’ny governemanta Malagasy momban’ny fanamorana ny fanonandranana entana no vontoatiny ny atrikasa. Eo ihany koa ny fanatsarana bebe kokoa ny fifanakalozana ara-barotra ifanaovan’i Madagasikara sy ny iraisam-pirenena.

Noresahana nandritra roa andro ny olana sedraina ny sampandraharaha eo anivon’ny “Douane” sy ny sampana hafa miatsoroka ny fifanakalozana ara-barotra ary ny tokony ataon’ny fanjakana manoloana izany. Nomarihin’ny Tale Jeneralin’ny Douane , Eric Rabenja fa ny dingana arahina mandritra ny fikarakarana mialoha ny famoahana ny entana sy ny fanarahana maso izany no mila fanatsarana, indrindra fa ny fanenana ny fotoana lany.

Maro ireo dingana voafaritra tao anatin’ny fifanaovan-tsonia ka nohamafisina nandritra ny atrikasa ny fomba hanatanterahina izany. “Raha ilaina aza ny fitadiavana fampitaovana sy famatsiam-bola dia hatao izany”,hoy izy.

Nandray anjara tamin’ny fikaonan-doha na ny avy amin’ny sampandraharaha tsy miankina na ny miankiana ary samy namoaka ny heviny daholo mba hitadiavana fanampiana na avy amin’ny fanjakana na avy any ivelany.

Marihana fa nanomboka omaly ka hifarana androany ny ity atrikasa ity.

Lynda A.