ECOTOURISME : Fomba iray hiarovana ny tontolo iainana sy hanatsarana ny fidiram-bolan’ny mponina eto Madagasikara

Anisany sehatra mampidi-bola be indrindra manerantany ny fizahantany, ao anatin’izany ny “écotourisme”. Mitentina  292 miliara dolara ny vola nampidiriny ny taona 2023 ary ho tafiakatra  836 miliara dolara izany ny taona 2030, araka ny tatitra navoakan’ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fizahantany (OMT). Olona manao “écotourisme” ny 14 %  amin’ireo mpizahantany manerantany, izany hoe miisa 196 tapitrisa izy ireo. Nambaran’i Ramakavelo Falihery, Tale Jeneralin’ny Vatel Madagasikara, sekoly ambony mampiofana momba ny fitantanana hotely, trano fisakafoana ary orinasa amin’ny sehatry ny fizahantany fa  fizahantany mifototra amin’ny fijerena ny natiora sy kolontsaina nentim-paharazana ary fitsinjovana ny mponina eo amin’ny toerana hanaovana fizahantany ny « écotourisme ».  « Mety amintsika miditra amin’ny écotoursime ahafahana miaro ny tontolo iainana sy hanalana ny fahantrana amin’ny faritra maro », hoy izy. Mila politika mahomby anefa vao afaka mampiroborobo izany, araka ny fanazavany. Voalohany tokony ho jerena amin’izany ny resaka foto-drafitr’asa, fitaterana an’habakabaka, fametrahana seranam-piaramanidina iraisam-pirenena amin’ireo toerana mahasarika mpizahantany eto amintsika. Mikarakara fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny « écotourisme » ny Vatel Madagasikara ho fanamarihana ny faha-10 taonany sy ho fandresena lahatra ny fanjakana ny maha zava-dehibe ny  « écotourisme », mba ahafahana manatanteraka izany sy mametraka sehatra  iraisan’ny ministera rehetra voakasik’io sehatra io. Ny 20 septambra 2024 eny amin’ny CCI Ivato no hanatanterahana  izany, miaraka amin’ireo manam-pahaziana manokana momba ny “écotourisme” avy any ivelany sy avy eto an-toerana.

Nanamafy i Ramakavelo Falihery fa maro  ny manam-pahaizana momba ny tontolo iainana no milaza fa fomba tsara indrindra hiarovana ny tontolo iainana sy hampiakarana ny fidiram-bolan’ny mponina eny ifotony ity karazana fizahantany ity. « Manana vina hampiakatra ny mpizahantany ho iray tapitrisa isan-taona ny fanjakana malagasy. Tsy ho sarotra amintsika ny hahatratra izany raha omena sehatra ny écotourisme », hoy izy. Ankoatra ny fivoriambe iraisam-pirenena dia entina  hanamarihana ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny Vatel Madagasikara ihany koa ny fitokanana ny sekoly vaovao eny Ivato, ny « Gala » atao eny amin’ny CCI Ivato ary ny fitokanana ny trano fisakafoanana vaovao Vatel. Marihina fa sekoly frantsay niforona tamin’ny 1980 ny Vatel, any Lyon ny foibeny. 50 ny isan’ny sekoly Vatel manerantany izay miparitaka amin’ny firenena 30. Ny taona 2014 no nijoro ny teto Madagasikara. Raha mpianatra 30 no niaingana dia tafiakatra 422 no efa nivoaka tao aminy, nandritra ny 10 taona. Ny 350 tamin’ireo nahazo ny diplaoma Licence ary ny 58 Master (MBA).  « Maro amin’izy ireo no miasa any ivelany, betsaka ihany koa no eto Madagasikara. Eo amin’ny 75 % eo ny tahan’ny mpianatra mivoaka ato aminay no tafiditra amin’ny sehatry ny asa”, hoy ny Tale Jeneraly. Nanangana ivon-toeram-pampiofanana arak’asa momba ny asan’ny “cuisinier”, “serveur” sy “femmes de chambres” ihany koa ny sekoly ho fampiharana ny politika fandraisan’anjaran’ny orinasa amin’ny sehatry ny sosialy (RSE). Maimaimpoana ny fiofanana omeny noho ny tohana avy amin’ny tetikasa Mitsiry, tohanan’ny USAID. Hiantohan’ny tetikasa n 50 % ny fampandehanana ny fampiofanana arak’asa ary  ny sekoly Vatel kosa no mandray an-tanana  ny 50 % ambiny. Any Morondava sy Sainte Marie no efa misy an’ireo ivon-toeram-pampiofanana ireo ary ho atsangana tsy ho ela ny eto Antananarivo sy Nosy-Be. Enim-bolana ny faharetany ny fiofanana. 50 isan-taona, isaky ny ivon-toeram-mpampiofanana  no misitraka izany.

Lynda A/Ra-Nirina