ELGECO PLUS: Hifandona amin’ny ekipan’ny Afrika Atsimo.

Lalao iraisam-pirenena hiadiana ny  « Coupe de la Confédération  de la CAF » indray no lalao manaraka hampiantranoan’ny firenena Malagasy. Mandray anjara ao anatin’izany ny ekipa Malagasy Elgeco Plus. Ny faha-10, 11 na 12 febroary 2017 ho avy izao. Mbola tsy voafaritra kosa hatreto ny toeram-pilalaovana. “Raha ny fanirian’ny klioban’ny Elgeco Plus dia eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina  no hanatanterahana izany”, hoy ny Filohan’ny klioba, Alfred RANDRIAMANAMPISOA.

Nambarany ity farany, fa efa vonona tanteraka na ara-moraly na ara-teknika na ara-batana ny ekipa tarihiny. Fandresena no  tanjona na dia matanjaka aza ny ekipa hifanandrina amin’izy ireo. Ny ekipan’ny Afrika Atsimo, Supersport  no hifanandrina aminy amin’ity lalao fifanintsanana  mandroso ity.