EPP AMBOHIJAFY TOAMASINA: Nohavaozin’ny JCI ny tranom-pianarana.

Vita ny fanavaozana ny fiaraha-miasa niarahana tamin’ny JCI (Jeune chambre International)  sy ny fikambanana ZAZASOA ary ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN). Ezaka fanatsarana ny foto-drafitr’asa ho an’ny ambaratonga fototra, nohavaozin’ny JCI indray ny tranom-pianarana manana efitra  roa, etsy amin’ny EPP Ambohijafy  Toamasina. Nanampy tamin’ny fanatanterahana ny asa ny ZAZASOA. Araka  ny fantatra,  efa nisy ny fanavaozana ny tranom-pianarana, efitra roa ihany koa ny taona 2016 ka izao mbola nitohy izao indray.

Nambaran-dRamatoa  Elina RAZAFINDRAFEZAKA fa tsy zarizary ny foto-drafitr’asan’ity   sekoly ity teo aloha raha nampitahana tamin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana. Ny taona 2012 no efa nanomboka niara-niasa tamin’ny JCI sy ny ZAZASOA ny EPP.  Tombony ho azy ireo indray ny fanavaozana ny fiaraha-miasa. Ankoatra ny fanavaozana ny efitranon-tsekoly, nizara fitaovam-pianarana  ihany koa izy ireo.

Fomba fiasan’izy ireo ny mandray ray aman-dreny mpianatra hiara-hiasa amin’ny fanavaozana ny foto-drafitr’asa ka tamin’ity  indray mitoraka ity dia ray aman-dreny mpianatra roa no nosafidiana tamin’izany.

Tonga nanome voninahitra ity lanonana fanokanana  ny foto drafitr’asa nohavaozina,  natao tamin’ny faha-12 jolay 2017, ny Tale kabinetran’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, teo ihany koa ny DREN Atsinanana ary ny lehiben’ny farim-piadidian’ny fampianarana Toamasina ambony sy ireo talen-tsekoly ary  ireo ray aman-dRenin’ny mpianatra. Ho fankasitrahana ny sa vitan’ny JCI sy ny fikambanana  ZAZASOA, notoloran’ny  MEN mari-pankasitrahana ny roa tonta.

Efa naharitra 7 taona ny fiarahana miasa ho an’ny ZAZASOA SY NY JCI araka ny fanazavan’ny Filoha Lefitra ny JCI TOAMASINA, Mac Laurin. RANDRIAMANANTENA  efa sekoly valo izao  no nohavaozin’izy ireo ary efa nisy ihany koa ny fizarana “tablette”, solosaina ary fitaovam-pianarana.

Niorina tamin’ny taona 16 aogoistra  1950 ny EPP Ambohijafy. Mpianatra  140 ny mpianatra no nandalo tao tamin’izany. Amin’izao  fotoana  izao, niakatra 492 ny isan’izy ireo. Tsara  voka-panadinana tamin’ity taona ity satria  80% ny taha- pahafahan’ny mpianatra hoan’ny CEPE.

Tanora 18 taona ka hatramin’ny 40  no mivondrona ao amin’ny “Jeune chambre International”. Ho an’ny fikambanana eto Toamasina, miezaka mampivoatra ny tanora mba hiditra bebe kokoa eo amin’ny fampandrosoana.