Ho tanterahina amin’ny zoma 17 sy sabotsy 18 novambra 2017 eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny fanamarihana ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo. Hampahafantatra ny vahoaka ny lalana, ny fitsipika, ny fomba amam-panao manomboka eo amin’ny famokarana, ny fitaterana, ny fitehirizana, ny famarotana ary ny famatsiana ny sakafo ireo mpandray anjara.
Ankoatra ny fivarotana karazan- tsakafo manaraka ireo fenitra ireo, hisy ny fitsirihana maimaimpoana ireo aretina azoavy amin’ny sakafo toy ny hatavezana, fiakaran’ny tosi-dra ary ny diabeta mandritra ny roa andro. Eo ihany koa ny fanentanana ho an’ny fanajana ny fahadiovana eo amin’ny fikirakirana ny sakafo.
Fisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo
Miantoka ny sakafo ara-pahasalamana ny kalitaony. Misoroka ny fahapoizinana ara-tsakafo rahateo izany. Araka ny fanazavan’ny Tale misahana ny fitsirihana ny antoka ara- pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo (ACSSQDA), Joely Nirina RAKOTOVAO RAVAHATRA ho fanamafisana ny fisorohana ny aretina azo avy amin’ny sakafo no tanjona ity hetsika andiany faharoa ity.
Tsy misy ny vidim-pidirana.