FAHASALAMAN’NY MASO: Miteraka olana ara-pahitana ny fampiasana maharitra ireny fitaovana nomerika ireny

Misy fiantraikany amin’ny  maso  ny fampiasana maharitra ireny fitaovana  momba ny nomerika ireny. Ao anatin’izany ny finday, ny vata fahitalavitra, ny solosaina… Nanamafy ihany koa i dokotera Solofo Georges, mpitsabo maso ao amin’ny Institut de la Vision de Madagascar fa misy fiantraikan’ny fahasalaman’ny maso ny “lumière bleue” amin’ireny “écran numérique” ampiasaina ireny. Lasa manana fahitana manjavozavo na lasa roa ny zavatra hita, maina ny ao anaty maso, mena-maso, manaintaina ny maso, latsaka ho azy ny ranomaso na marary an-doha ny voka-dratsiny ny fijerena “écran” maharitra na  antsoina hoe “syndrome de vision informatique”. Mila lanjalanjaina ny fampaisaina azy ireny. Raha voatery tsy maintsy mampiasa, noho ny antony arak’asa, dia misy fihetsika azo atao ihany hampihenana na hisorohana  ny“syndrome de vision informatique”, toy ny fialàna eo anoloan’ny “écran” isaky ny 20 minitra, ny fijanonana 20 segondra ary mijery lavitra, misy elanelana eo amin’ny dian-tongotra 20 isa eo (fitsipika 20-20-20), ahetsiketsika matetika ny maso, mampiasa solomaso iarovana amin’ny “lumière bleue”. Tena ilaina ny manatona mpitsabo maso raha toa ka efa miaina amin’ireo “syndrome de vision informatique” ireo.

Lynda A.