Mifototra amin’ny teboka telo no mahatonga ny olan’ny fananantany eto Madagasikara, raha fintinina ny antontan-kevitra nananan’ny Sehatra Iombonan’ny Fananantany (SIF) nandritra ny 20 taona nijoroany. Voalohany amin’izany ny olana ateraky ny fanoratan-jo fananantany dia ny fangatahana titra na famindrana titra amin’ny alalan’ny fandovàna, fifampivarotana, fanolorana ary fifampizarana. Faharoa, ny olana ateraky ny sata-tany lany andro, toy ny Tany misotra amin’ny Voanjo (Terrain titré au nom de Colon), ny Kadasitra tsy tontosa hatramin’ny farany. Fahatelo, ny olana ateraky ny fibodoana tany ataon’ireo Orinasa na Mpampiasa vola vaventy, ary ihany koa ny fanesorana ny olona mampiasa ny tany raha misy ilain’ny Fanjakana ny tany. Mahatsapa ny SIF fa 20 taona taty aorian’ny nisiany dia mbola maro ireo olan’ny fananantany saro-bahana sy mahazo vahana. Nanangana ny JERITANY ny vovonana Firaisamonimpirenena misehatra amin’ny Fananantany ho famahana ny olan’ny fananantany eto Madagasikara.
Manome vahaolana
Rafitra iray apetraka mba ahafahana manangona ireo antontan-kevitra sy antontam-baovao momba ny olan’ny fananantany iainan’ny fokonolona, sy ny fananantany amin’ny ankapobeny ny JERITANY. Hisy ny fandalinana amin’ny antsipiriany izany antontam-baovovao izany mba ahafahana misintona vahaolana afaka aroso ho dinihan’ny Mpanantanteraka isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany. Mandray ireo fitarainana momba ny olan’ny fananantany ny JERITANY ary manoro ny olona ny vahaolana tokony ho raisina. Faritra sivy (9) no efa nanaovana fanangonam-baovao, toy ny faritra Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Sofia, Boeny, Ihorombe… Tranga 31 no hita tamin’ny ka ny 27 amin’ireo dia olana momba ny tanim-pambolena. Tahaka ny tranga ao Soavaninandriana Itasy, tany misoratra amin’ny voanjo mponina, nohajarian’ny mponina nanomboka ny taona 1970, mirefy 569 ha. Ny taona 1989, nisy olom-panjakana tonga tany an-toerana ary nilaza fa azy ny tany. Niakatra teny amin’ny fitsarana ny raharaha. Nisy mihitsy ny fanagadrana ireo mpitarika ny vondron’ny tantsaha mpanajary ny tany. Efa-taona izay no tsy afaka namboly intsony ny fokonolona fa nivoaka ny didy fandroahana azy ireo hiala amin’ny tany. “Tsy vao omaly no nisy ny olan’ny fananantany. Vao maika mitombo izany. Tsy fifanomezana tsiny no hampivaha an’io fa fifampihainoana no tokony atao. Mihaino izay olan’ny mpitondra ary ny entina koa tokony hohenoina, izay no tena ao ambadiky ny fifampiresahana. Noho izany, ilaina ny atontan-kevitra mba ahafahana mifampiresaka, inona no vahaolana hampivaha fananantany”, hoy i Raparison Eric, mpandrindra nasionalin’ny SIF. Nikarakara atrikasa fifanankalozan-kevitra ny SIF, ny 8 mey 2024, teny Antaninarenina ho fampahafantarana ny JERITANY sy firosoana sahady amin’ny fifampidinihana eo amin’ireo solotenan’ny fokonolona manana olan’ny fananantany eto Madagasikara sy ireo Tomponandraikitra isan-tsokajiny mba ahafahana manoritroritra vahaolana entina mamaha izany olan’ny fananantany izany.
Lynda A.