FAMARANANA NY RAMADANY 2024: Nizara fanomezana ho fanatanterahana ny Zakat Al-Fitr ny fikambanana La Charité de Madagascar sy ny Sans Frontières Daoudi Nisrine

Fomba fanao tsy maintsy ataon’ny mpino silamo ny Zakat Al-Fitr rehefa mifarana ny volana Ramadany. Asa soa  hanehoana fa tapitra ny fifehezana na fifandian-kanina ny Zakat Al-Fitr raha adika amin’ny teny malagasy. Entina hanehoana fidiovana noho ny fahadisoana vita ho an’ireo mpifady hanina sy ho fanomezana fanampiana ho an’ireo olona mahantra sy sahirana  mba ahafahan’izy ireo mankalaza ny Aïd Al-Fitr ny Zakat Al-Fitr. Nanatanteraka izany ny fikambanana La Charité de Madagascar ka fizarana sakafo ho an’ireo olona sahirana miisa 105 teny Ambohidratrimo no nataony, ny 10 aprily 2024. Mpino silamo  ireo nahazo fanampiana ary samy nahazo vary dimy kilao (05) sy paty macaroni 500 grama ny tsirairay. Tamin’ny alalan’ny fanampian’ny fikambanana Sans Frontières Daoudi Nisrine (ASFDN) avy any Frantsa  no nahafahan’ny fikambanana La Charité nanao izao hetsika izao. “Efa ho roa  taona izahay no niara-niasa tamin’ny Association Sans Frontières Daoudi Nisrine. Efa nanampy anay tamin’ny fanantanterahana hetsika sosialy maro ny fikambanana, toy ny fanamboarana vovon-drano. Nitondra fanampiana ihany koa ny fikambanana nandritra ny volana Ramadany teo. Nahafahanay nanome sakafo ho an’olona 150 isan’andro, nandritra ny 15 andro ny tolo-tanana nataony. Misaotra ny fikambanana izay tarihin’i Daoudi Nisrine ny tenako”, hoy i Mohamad Zouber, filohan’ny fikambanana La Charité de Madagascar. Nambarany fa mbola maro ny tetikasa ho tanterahan’ny ASFDN eto Madagasikara. Niforona ny taona 2017 ny ASFDN. Mitondra fanampiana ho an’ireo mponina mila izany, indrindra aty Afrika ny fikambanana. Marolafy ny sehatra iasany, toy ny fanatanjahantena, fanabeazana, fahasalamana, famatsiana sakafo. Ho an’ny La Charité de Madagascar kosa dia mbola mitoetra ho laharam-pamehana ho an’ny fikambanana ny fanampiana ireo fianakaviana sahirana eto Madagasikara. Ankoatra ny fizarana sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanadro (PPN) dia miasa amin’ny sehatry fanabeazana, fahasalamana, fahazoana rano fisotro madio ihany koa ny fikambanana. Asa sosialy fanaony ny fizarana sakafo mafana na PPN, fitaovam-pianarana, fitaovana ilaina eny amin’ny tobim-pahasalamana any amin’ireo kaominina ambanivohitra, fanamboarana vovon-drano…

Lynda A.