FAMETRAHAM-PIALAN’NY PM: “Manamarika fahendrena ny fanapaha-keviny”.

Tampoka tamin’ny rehetra  ny  fanapahan-kevitry ny  Lehiben’ny governemanta, Jean RAVELONARIVO mahakasika ny fametraha-pialany. Andro vitsy lasa izay dia nanambara ny tenany fa tsy  hametra-pialana izany izy  fa ny lalam-panorenana no nametraka azy teo. Ankehitriny anefa nanao fanambarana indray ny Sekretera Jeneralin’ny Filoham-pirenena fa nametra-pialana izy ary nanaiky izany ny Filohan’ny Repoblika, Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Ora  vitsy taorian’io fanambarana ofisialy io anefa dia nilaza indry ny “Praiminisitra” fa tsy nanao izany.

Raha nametra-pialana tsy ho Praiministra intsony ny tenany dia mitodika eny amin’ny  Lapan’ny Antenimieram-pirenena indray ny mason’ny vahoaka satria ireo solombavambahoaka indray no manolotra izay ho solony saingy ny Filoham-pirenena kosa   no tompon-teny farany, araka ny lalam-panorenana  laharana  faha- 54.

Naneho ny heviny ireo solombavambahoaka sasantsany mahakasika io fametraha-pialana io. “Fihetsika feno fahendrena no nataon’ny Praiministra, Jean RAVELONARIVO ary midika fa mikatsaka ny tombon-tsoan’ny vahoaka izany”, raha fehezina ny teny izay nambaran’izy ireo. Nankasitraka  ny fametraha-pialany mihitsy  izy ireo.