Fanenana ny isan-jaza mifanaraka manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana no tena mahatonga ny olona hampiasa ny fanabeazana aizana. Amin’ny alalan’ny fomba maro no ahafahana mandrindra izany fiterahana izany. Anisany manaparitaka azy ity ny toeram-pitsaboana Marie Stopes Madagascar (MSM). “Na dia efa betsaka aza no mampiasa ireo fitaovana fanabeazana aizana dia mbola ambany ny tahany ny Malagasy misafidy azy ity”, araka ny fanazavan’ny Talen’ny MSM, Lalaina RAZAFINIRINASOA. Ny kolotsaina te hanan-taranaka, fitohizan’ny aina no antony voalohany amin’izany.
Nandritra ny hetsika fanentanana nataon’ny MSM teny amin’ny tontolo ambanivohitra, tsikaritra fa ireo vehivavy na lehilahy efa niteraka dimy aman’enina no resy lahatra ampiasa ny fomba fandrindram-piterahana maharitra.
Hatreto dia mbola ireo mpamatsy vola no misahana betsaka ny fanaparitahana azy ity raha ny eto amintsika. Hany ka mbola vidiana ireo fitaovana na fomba fanabeazana aizana. Miezaka mamporisika hatrany ny Malagasy hampiasa azy anefa ny MSM. Manoloana izany, nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fandrindram-piterahana ity farany ka nanatanteraka varavarana misokatra teo anoloan’ny Tranom-pokonolona Analakely tamin’ny 26 Septambra 2016.