Mbola sarotra ho an’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny Malagasy ny miresaka ny fananahana amin’ny zanany ao an-tokantrano. “Efa tsy afaka manao fanentanana momba ny fananahana ara-pahasalamana eny an-tsekoly rahateo ny firaisamonim-pirenena ka tsapa fa vitsy ny fahalalan’ny tanora momba ny fahasalamana ara-pananahana noho ny tsy fampitana vaovao sy fampitana lalindalina kokoa eny anivony sekoly momba ny fananahana”, araka ny fanazavan’i Raveloarinanja Dominique, mpanorina ny fikambanana misehatra amin’ny fanabeazana, ny fanabeazana olom-pirenena ary ny tontolo iainana na Mentor E.C.C.E (Education, Civisme, Citoyenneté et Environnement), sady mpikambana ao amin’ny Firaisamonim-pirenena Forum Génération Egalité (FGE). Antony lehibe mahatonga ny vohoka aloha loatra anefa ny tsy fahampian’ny fanabeazana ara-pananahana feno (ECS). Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanabeazana ara-pananahana ny haino vaky jery aman-tranokala ka nikarakara fampiofanana ho an’ny mpanao gazety momba ny zo sy fahasalamana ara-pananahana ny sampana misahana ny zo sy fahasalamana ara-pananahana (SDSR) ao amin’ny FGE, ny 28 ka hatramin’ny 30 oktobra 2024, tany Antsirabe ho fanomezana antontam-baovao momba fahasalamana ara-pananahana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety amin’ny fampitana izany. Mpanao gazety 20 mahery mpikambana ao amin’ny Tambazotran’ny haino vaky jery eto Afrika mikirakira vaovao momba ny fahasalamana sy tontolo iainana (REMAPSEN), sampana Madagasikara, vondrona DSSR no nisitraka izany.
Tokony ampidirina tsy misy fepetra any an-tsekoly
Ao anatin’ireo firenena 13 voalohany manana taha ambony amin’ny vohoka aloha loatra i Madagasikara, araka ny fanasokajian’ny World Atlas ny taona 2015. Raha misy vehivavy 1000 mitondra vohoka dia tovovavy eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 19 taona ny 163 amin’ireo, raha fanadihadiana fanarahamaso ny « Objectif Millénaire pour le Développement » na OMD ny taona 2012-2013. “Izany indrindra no tokony ampidirana tsy misy fepetra ny fanabeazana ara-pananahana feno eny anivon’ny sekoly”, hoy i Raveloarinanja Dominique, tomponandraikitry ny Mentor E.C.C.E (Education, Civisme, Citoyenneté et Environnement). Ampianarina ao anatin’ny ECS ny fomba “ABCDE” na tsy fanaovana na “abstinence” (A), ny fanajana ny olontiana na tsy fampirafesana na “bonne fidélité” (B), ny fampiasana kapaoty na condom (C), ny fitiliana na dépistage (D) ary ny fanabeazana na éducation (E). Namoaka naoty anefa ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena , ny 7 novambra 2023 (2023 -862/MEN/SG) fa voarara ny manoro ny fomba fampiasana ny fanabeazana aizana eny anivon’ny sekoly, ao anatin’izany ny kapaoty. Ny tsy fanaovana na “abstinence” no tokony vohizina ao anatin’ny fanabeazana ara-pananahana raha ny lalan-tsaina vohizin’ny ministera. “Miha mitombo ny tanora manaonao foana noho ny tsy fahalalana sy voafetra ny fahazoany fahalalana. Tsapa fa mitombo amin’ny ankapobeny, raha eny anivon’ny lisea ny fialana an-daharana an-tsekoly noho antony fitondrana vohoka”, hoy i Raveloarinanja Dominique. Raha misy zatovovavy 10 ohatra dia 1 na 2 no mitsoaka an-daharana vohoka aloha loatra sy vohoka tsy niriana ary ny tsy faneken’ny sekoly handray azy intsony”, araka ny fanazavany.
Lynda A.