Tsy maintsy mihodidina be ireo mponina mipetraka eny Ankaditoho rehefa ho eny Tsimbazaza.”Mandany kilometatra maro ny mponina rehefa andeha hiantsena, ny mpianatra rehefa ho an-tsekoly ary mandeha lavitra be rehefa hatsaka rano”, araka ny fanazavan’ny Filoham-panorina ny Fikambanana Vehivavy Liam-pivoarana, Nivosoa RAVAOHARIMALALA . Misy lalana afaka anivahana ihany , saingy mandalo tanimbary sady ratsy be no be fotaka. Ho fanamorana ny andavanandrom-piainan’ny mponina dia namboarin’ny fikambanana Vehivavy Liam-pivoarana ho lasa tetezana io lalana manivaka io.
Raha ny loharanom-baovao, mirefy 200 metatra eo ny halavan’ilay tetezana. Nanampy tamin’ny fanatontosana izany ny Loholona Berthin RANDRIAMIHAINGO.
“Nataonay ho tsangambaton’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ity foto-drafitr’asa ity”, hoy hatrany ny Filohan’ny Fikambanana.
Lynda A.
Mia Sisi liked this on Facebook.
Morena Randrianarison liked this on Facebook.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Tchoutchou Rasolofomanana liked this on Facebook.