FANAMARIHANA NY 08 MARTSA: Nanamboatra tetezana mirefy 200 mampitohy an’Ankaditoho sy Tsimbazaza.

Tsy maintsy mihodidina be ireo mponina mipetraka eny Ankaditoho rehefa ho eny Tsimbazaza.”Mandany kilometatra maro ny mponina rehefa andeha hiantsena, ny mpianatra rehefa ho an-tsekoly ary mandeha lavitra be rehefa hatsaka rano”, araka ny fanazavan’ny Filoham-panorina ny Fikambanana  Vehivavy Liam-pivoarana,  Nivosoa RAVAOHARIMALALA . Misy lalana afaka anivahana ihany , saingy mandalo  tanimbary sady ratsy be no be fotaka. Ho fanamorana ny andavanandrom-piainan’ny mponina dia namboarin’ny fikambanana Vehivavy Liam-pivoarana  ho lasa tetezana io lalana manivaka io.

Raha ny loharanom-baovao, mirefy 200 metatra eo ny halavan’ilay tetezana. Nanampy tamin’ny fanatontosana izany ny Loholona Berthin RANDRIAMIHAINGO.

“Nataonay ho tsangambaton’ny  andro iraisam-pirenena  ho an’ny vehivavy ity foto-drafitr’asa ity”, hoy hatrany ny Filohan’ny Fikambanana.

Lynda A.