FANDRINDRAM-PIAINAM-PIANAKAVIANA: Tonga indray ny vazaha

Vola mitentina 100 000 euros na 400 000 Tapitrisa Ariary no azon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) avy amin’ny AIMF na ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Francophonie.  Hanatanterahana fandrindram-piainam-pianakaviana eto an-drenivohitra io vola io. Nanao AMI na “Appel à Manifestation d’Intérêt” ny AIMF mahakasika an’izany tamin’ireo tanàn-dehibe maro eto amin’izao tontolo izao, ka nahazo izany tetikasa izany ny CUA rehefa natao ny fifantenana taty Afrika.

Tao anatin’ny roa andro, nanatanteraka atrik’asa tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny iraka avy amin’ny AIMF amin’ny alalan’ny fiadidian’ny tanànan’i Paris any Frantsa, ahitana delegasiona avy amin’ny renivohitra Frantsay izay tarihin’ny ben’ny tanànan’i Paris Anne Hidalgo. Ho famoahana  io vola io no antony fitsidihan’izy ireo.  Hahazo tombontsoa amin’ izao tetikasa momba  fandrindram-piainam-pianakaviana avy amin’ny AIMF sy ny tanànan’i Paris izao ny ny vehivavy amin’ny faritra iva amin’ny Boriboritany efatra  eto Antananarivo Renivohitra. Ny toeram-pitsaboana na CSB II an’ny CUA amin’ireo Boriboritany ireo no hitantana ny tetikasa.