FANODIKODINANA VOLAM-PANJAKANA: Voasazy hanao asa an-terivozona

“Na iza na iza, noho ny asany miantoka ny fanatanterahana ny teti-bola sy/na ny fikirakirana ny vola na mandritra ny fanantanterahana izany, noho ny maha mpitahiry ny fahefam-panjakana na miandraikitra ny asam-panjakana azy ka, nanodikodina, nandrava, nanary na nanaisotra ny fananam-panjakana: volam-panjakana na tsy miankina, ny vola na taratasim-bola izay misolo ny taratasy fanekena misy izay misanda mihoatra ny 20 tapitrisa ariary dia voasazy hanao asa an-terivozona sy handoa onitra 40 tapitrisa ariary, ka hatramin’ny 500 tapitrisa ariary”, araka ny lalàna laharana faha-2016-020 tamin’ny 22 aogositra 2016 momba ny ady atao amin’ny kolikoly.

Nambaran’ny gazety fanentanana vokarin’ny Birao Mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (BIANCO), laharana faharoa, martsa 2018, fa fandikàn-dalàna ny fanodinkodinana, fandravana, fanariana na fanesorana fananam­panjakana ataon’ireo tomponan­draiki-panjakana voatendry na voafidy misahana mivantana ny raharaha mikasika ny teti-bola bola sy ny fikirakirana volam-panjakana. Ohatra amin’ny fanodikodinam-bola ataona mpitantam-bolam-panjakana ny familiviliana tsy araka ny tokony ho izy ny fampiasana ny vola iandraiketany ny fitantanana azy. Ka nanaovany trano sy nividianany fiara ny vola nahodikodiny.