Betsaka ny tsy mankasitraka ny fandraisan’i Madagasikara ny frankofonia. Rehefa fivoriana an-tampony tahaka izao ihany mantsy vao mody manangana foto-drafitra asa entina hanaronana ny fahantran’ny Malagasy. Mifanohitra amin’izany indray anefa ny fomba fijerin’ny faritra Analamanga ny fampiantranoana ny fivoriana an-tampony ny firenena mampiasa ny teny Frantsay andiany faha-16 eto amintsika. “Fotoana tokony hanararaotana hitadiavana fiaraha-miasa amin’ireo firenen-kafa io fivoriana io”, hoy ny Lehiben’ny faritra Analamanga, Ndrantonomena RAKOTONANAHARY.
Izany indrindra no nahatonga ny faritra Analamanga nikarakara hetsika ho fandraisana anjara amin’ny frankofonia. Mpianatra avy amin’ny fiadidiam-pampianarana miisa valo eto amin’ny Faritra Analamanga no nifampitaona teny amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny faha-15 novambra 2016. “Andro natokana ho an’ny mpianatra ity hetsika ity,ho fampahafantarana ny tombontsoan’ny frankofonia”. Rehefa hain’ny mpianatra tsara ny mombamomban’azy dia ho mora amin’izy ireo ny hanentana ny any an-tokantrano.
Tamin’ny alalan’ny fifaninana mamaly fanontaniana na “question pour un champion” mifanaraka amin’ny resaka frankofonia ny lalao nanamarihana ny hetsika.