FARITRA ATSINANANA: Mamokatra voly fanondrana.

Mifantoka amin’ny sosialim-bahoaka indray ny vinan’ny faritra Atsinanana amin’ity taona 2017 ity raha ny fampiroboroboana ny fambolena  kosa tamin’ny taona lasa. Faritra mahavokatra tokoa ny faritra Atsinanana. Nambaran’ny Lehiben’ny Faritra Talata Michel fa betsaka ny vokatra azo  avy amin’ny fambolena ao amin’ny faritra iadidiany no fanondrana. Mbola miaina amin’ny fomba nentin-drazana anefa ireo mpamboly ka tsy mifanaraka amin’ny fenitra takian’ny iraisam-pirenena ny kalitaon’ny vokatra.  Tao anatin’izany indrindra no nikatrohana  ny tetikasa ho fanatsarana ny fambolena izay niarahan’ny faritra niasa tamin’ny  Normandie. “Tombony ho an’ny faritra Atsinanana ny fiaraha-miasa tamin’ny firenen-kafa satria nahafahana nampiofana ireo tantsaha  ny fomba  fambolena manaraka ny  toetra andro ankehitriny  izany”.

Tonga nanatrika ny fifampiarahabana nahatratry ny taona 2017 ny  faritra Atsinanana  ireo mpamatsy vola, mpiara-miasa akaiky  izay notontosaina ny zoma 28 aprily 2017 lasa teo.