Efa miha ringana tsikelikely ny ala tapia ao amin’ny faritra Itasy. Tsindry voalohany maha ringana azy ny doro ala. Miditra antsokosoko anaty ala haka hazo hanaovana kitay sy saribao ihany koa ny olona. Toerana voanjanahary ipetrahan’ny landibe anefa ny ala tapia. Nanomboka tsy nisy ny landibe ny taona 2021 vokatr’io faharinganan’ny ala io, araka ny fanazavan’i Andrianarison Herilaza Thierry, Lehiben’ny tetikasa TAPIA. “Anisan’ny niha ringana niaraka tamin’ny ala tapia ny landibe satria ringana ny toerana honenany. Alain’ny olona ihany koa ny zana-dandy satria manankarena proteina. Vavy ilay ngeza alainy zareo ireny ka rehefa alaina dia tapaka hatreo ny tsingerim-piainany”, hoy izy nanazava ny antony hafa tsy mampisy ny landibe ao Itasy. Ho famerenena amin’ny laoniny ny ala tapia sy ny landibe no antom-pisian’ny tetikasa TAPIA na Tantsoroka ara-pamokarana Iarovana ny ala tapia.
Fambolena zanaka tapia
Manampy ny tantsaha
Nambaran’ny lehiben’ny tetikasa fa tsy maintsy nojerena ny lafiny ny maha olona satria ny olona no manimba ny ala. Tantsaha 584 no mahazo tohana avy amin’ny tetikasa ho fanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo, toy ny fiompiana trondro an-tanimbary, fambolena vary an-tanety, fambolena hazo ampisaina atao kitay, fanomezana fiofanana momba ny “agroécologie” na fambolena maharitra. Ankoatra izany, nametraka Manananiria toerana hamokarana landy sy atodin-dandy ao Arivonimamo ny tetikasa mba hamerenana amin’ny laonin’ny landibe. Afindra any anaty ala tapia ireo atody avy eo. Nohidiana anaty “case” ireo atody mandra-pahalehibeny mba hiarovana azy amin’ireo biby mpihinana, toy ny famakiloha. Ireo VOI no mametraka azy anaty ala sy manaramaso ny fitomboany, nanomboka ny taona 2021. Efa manomboka miverina tsikelikely ny landy ny taona 2023. “Efa misy mivarotra zanadandy eny an-tsena nefa tsy tokony mbola atao satria very maina ny asa ataon’ny tetikasa”, hoy ny Lehiben’ny tetikasa TAPIA. Nilaza izy fa efa nifampiresaka tamin’ny ministry ny tontolo iainana ny tetikasa fa misy didim-pitondrana novolavolaina ho an’ny faritra ho fandraràna ny fakàna tranondandy (cocon) aloha.
Lynda A.