FARITRA MENABE: “Atao izay hisian’ny voka-bary amin’ity taona 2017 ity”.

Anisany  sompitry ny rano iankinan’ny fambolena ao amin’ny faritra Menabe ny lakan-dranon’i Dabara. Ho fanarenana ny foto-drafitra asa simba, nisy ny fanamboarana ny  lohan’ny lakan-drano nataon’ny fikambanamben’ny Dabara niaraka tamin’ ireo teknisian’ny fambolena sy ny fiompiana.  Nambaran’ny lehiben’ny faritra Menabe, Gilbert Romain fa ampy hanondraka  velaran-tany eo amin’ny 16.000 ha eo ity lakan-drano ity. Noho izany, tsy atahorana ny tsy fahampian-drano ilaina amin’ny fambolena.

Tsy afa-misaraka amin’ny  vary ny Malagasy. “Atao izay hisian’ny voka-bary amin’ity taom-pambolena  2017 ity raha ho an’ny faritra Menabe manokana”. Mitaky fanavaozana tanteraka  an’i Dabara anefa izany. Efa mitady ny fomba rehetra na ny famatsiam-bola hanatsarana ny foto-drafitra asa ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Mandra-pahitam-bahaolana maharitra, manao antso avo ny mponin’i Menabe ny tenany hikajy ny efa misy aloha.

Politikan’ny faritra amin’ny resaka fizahan-tany. Miara-miasa ny kaominina ambonivohitr’i Morondava sy ny faritra Menabe.  Entina hanatsarana ny sehatry ny fizahan-tany, mifanome tanana ny roa tonta ao anatin’ny  tetikasa maharitra ho fanajariana ny tora-pasik’ i Morondava. Eo ihany koa ny lamina asa iarahan’ny faritra amin’ny kaominina Bemanonga  sy ireo fikambanana isan-karazany ho fikajiana ny “Allées de Baobab”. Ho fampivoarana ny tontolon’ny fizahan-tany mba hiteraka voka-tsoa ho an’ny faritra sy hipaka any amin’ny fari-piainan’ny vahoaka no tanjona eto.