Ny taona 1971 no tonga teto Madagasikara ny iraky ny LLB na Ligue pour la Lecture de la Bible ary dia nitsangana ny Fikambanana Mpiara-Mamaky ny Baiboly.
Feno 45 taonaizany ny FMMB. Fotoam-pivavahana no entina hanokafana ny fankalazana ny faha-45 taonn’ny FMMB na Fikambanana Mpiara-Mamaky ny Baiboly ny sabotsy 30 janoary 2016, amin’ny 3 ora sasany tolakandro. Ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana. « Mampiomana ny fo hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankato sy hampianatra no teny faneva mandritra ny fankalazana izay nalaina tao amin’ny Ezra toko faha-7 andininy faha-10.
Ny FMMB dia Fikambanana iraisam-pirenena niforona tany Pays de Galles (Grande-Bretagne) tamin’ny taona 1867. Tsy miankina amina fiangonana iray manokana izy fa miara-miasa amin’ny fiangonana kristianina maromaro. Hitaona ny olon-drehetra ho tia, hamaky ary hiaina ny Soratra masina, hanambara ny Vaovao Mahafalin’i Jesoa Kristy. Faritra sy tanàna 50 mahery no misy azy manerana ny Nosy.
Ny fomba fiasany
Amin’ny alalan’ny sehatr’asa efatra : ankizy, tanora, mpivady sy ankohonana no hanaovana ny fampianarana ara-tsoratra masina. Ny fitrangan’ny asa dia amin’ny alalan’ny fanofanana, lasy, fanabeazana an-tsekoly, fanaparitahana literatiora kristianina, fampianarana any amin’ny fampielezam-peo, hira sy artistika, fanarenana ny ankohonana sahirana, sekoly ho an’ny sahirana sy ny sisa.
Ireo hetsika fanamarihana
Maro ireo hetsika hotanterahina manerana an’i Madagasikara, amin’izao fanamarihana ny faha-45 taona izao. Anisan’izany ny fivoriana nasionaly fandrindran’asa manomboka 16 ary hifarana 19 marsa eny Mandriambero, ny fitsidihina sy fanofanana ataon’ny tale LLB (Ligue pour la Lecture de la Bibile) avy any Angiletera ny 4 hatramin’ny 12 aprily, sekoly be na fianarana baiboly any Mahajanga ny 20 hatramin’ny 24 septambra, herinandron’ny FMMB any Toliary ny 7 hatramin’ny 12 novambra, fiaraha-misakafon’ny mpiray tam-po ao Antananarivo ny alahady 27 novambra 2016.