Fandaharam-potoana maro sy isan-karazany no hanamarihana ny fetin’ny mozika mandritra ity herinandro ity. Ho tohiny ny hetsika natao teo aloha dia manolo-tanana amin’ny fanampiana tosika ireo mpisehatra amin’ny mozika ny Alliance française Antananarivo. Mpamokatra zava-maneno am-polony no mampiranty ireo sangan’asany eny amin’ny efitrano malalaky ny Alliance française Andavamamba. Anisan’ny mpandray anjara i Tiana Rainitelo, Zamba, Monja , Manintsindava, Ragasy, André Rakotorahalahy, Sarandra Beloba, Tony Zà, Remby, Rapasy, Ratovo ary Daniel Marovangy.
Nanomboka androany 17 jona ary tsy hifarana raha tsy ny 22 jona 2019 ny fampirantiana. Ankoatra ireo zava-maneno nenti-paharazana dia hita sy azo jifaina eny an-toerana ihany koa ireo zava-maneno vita avy amin’ny fitrandrahana akora hafa toy ny kapoaka, “résistance” fatana sy ny maro tsy voatanisa. Manentana ny mpankafy mozika sy ireo liana te hianatra mozika ho avy hitsidika ny fampirantiana ny Tale Jeneraly lefitry ny Alliance française, Duprey Rindra nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny marainan’ny 17 jona 2019.
Lynda A.