FIANARANA TENY ANGLISY: Ahafahana mivelatra amin’ny sehatra isan-karazany.

Efa misokatra ny fisoratana anarana  ho an’ny fianarana teny anglisy  ao amin’ny English Tutoring of Madagascar. Natokana ho an’ireo mpianatra manana diplaoma bakalorea ny fidirana amin’ny 11 sy ny 25 septambra 2017.

Nambaran’i Miarintsoa Marie Florette fa ao anatin’ny telo volana, afaka mifehy ny teny anglisy ny mpianatra iray satria mianatra in-efatra ao anatin’ny herinandro  iray. Mahazo tombony ihany koa raha mahavita ny dingana telo. “Tolorana mari-pahaizana eken’ny  Ministeran’ny asam-panjakana (FOP) izay mahatafita izany”. Ho an’ireo tsy afaka andavanandro kosa dia  misy ihany koa ny fampianarana  isaky ny sabotsy.

Manampy  amin’ny fivelarana amin’ny sehatra  maro samihafa ny fifehezana teny vahiny ka betsaka ireo mpianatra liana amin’ny fianarana azy.