FIAROVANA NY ZAVABOAHARY: Manao vy very ny ainy ireo tanora ao amin’ny COFAV

Miandahy miambavy ireo tanora manolo tena amin’ny fiarovana ny karajavamanaina. Mihatra aman’aina anefa ny asan’izy ireo. Nitondra fandresena sy vokatsoa ho an’ny daholobe anefa ny fikirizana sy fahasahian’izy ireo.

Mety ho mafy kokoa noho izao ny olan’ny rano eto Madagasikara raha tsy teo ireo mahery fo mpiaro ny karajavamananaina. Maro amin’izy ireo no tanora, tahaka an’i Fabien Rafaralahy.

Fabien Rafaralahy – Président de la VOI Mitsinjo – Ampatsy Ampangabe

Nanomboka ny fahazazany izy dia efa nitia sy niaro ny zavaboahary ary mbola nandany ny fahatanorany tamin’ny fikajiana ny karajavamanaina. Teraka tao Ampantsy Ampangabe, 45 km miala ny Fianarantsoa i Fabien ary lehibe tao. Toerana mbola rakotr’ala sy manan-karena zavamaniry sy biby ny tanàna misy azy.  Fony mbola zaza izy dia efa nobeazin’ny ray aman-dreniny hitia sy hikolo ny zavaboahary. Mpiasam-panjakana ny dadabeany ary niasa tamin’ny orinasa vahiny nanao ny lalam-by mampitohy ny Fianarantsoa- Manakara. “Nanapaka hazo tamin’izany mba hampandehanana  ny lamasinina.Tsy maintsy mamboly hazo hamerenana  ireo hazo notapahana. Nampitain’ny dadabeako tamin’ny mamako ny antony nanaovana izany. Taty aoriana, nampitain’ny mama tamin’ireo zanany izany”, hoy i Fabien mitantara ny antony nanosika azy hiaro ny tontolo iainana.  Na mbola kely aza i Fabien tamin’izany dia tsy nisalasala nanentana ireo namany mba hiaro ny ala. “Rehefa mandeha miandry omby izahay dia mitondra afo hanatonoana voamanga na mangahazo. Tsy mbola nisy briquet mantsy tamin’izany. Rehefa hody dia tsy maintsy vonoana ny afo sao mandoro tanety sy ala. Nampitaiko tamin’ny namako ny antony tsy handoroana ny ala. Nolazaiko tamin’izy ireo fa tsy azo simbaina ny ala  satria avy any no ipoiran’ny ny rano ampiasaina handrahoana sakafo na manondraka ny tanimbary”, hoy izy manazava ny hetsika voalohany nataony tamin’ny fiarovana  ny tontolo  ianaina. Nitohy tamin’ny fahatanorany ny fitiavana mikolo ny karajavamanaina izay. “Araka izay hoe nobeazina tao anatin’ny ala izay dia sahala amin’ny namako ny ala. Raha tsy arovako ireo namako ireo, izay tsy afaka miaro ny tenany dia fahotana ho ahy izay ary lasa very namana aho”, hoy izy.

Fabien Rafaralahy – Filohan’ny VOI Mitsinjo – Ampatsy Ampangabe ( Tahirim-pnfody )

Manan-karena zavamaniry fatao fanafody ao amin’ny tanàn’i Fabien. Nofaritana ho ala fady mihitsy ny faritra ahitana izany mba tsy ho lany tamingana. Mbola mandala ny fitsaboana nentim-paharazana rahateo ny fokonolona ka miaro mafy io ala io satria miankina amin’io ny fahasalaman’ izy ireo. Tamin’ny tsy mbola nisy ny farmasia sy dokotera dia tao ny mponina no naka fanafody hitsaboana tena.  Mahafantatra ireo karazana zavamaniry fatao fanafody sy ny aretina sitraniny i Fabien noho ny fahalalana nolovaina tamin’ireo razambe taloha. “Ity izao kizitina ny anaran’ity. Manasitrana ny zaza mamany am-pandriana izy ity. Itony indray dingandingana, fanafody ho an’ireo lehilahy izay marary amin’ny taovam-pananahana na marary valahana. Tena mandaitra ny fampiasana azy ity”, araka ny fanazavan’i Fabien teo am-pitsidihana ny ala fady na ny ala voanjanahary, antsoin’ny mponina ihany koa hoe tahirim-panafody. Nambarany fa ny fisian’ireo zavamaniry fatao fanafody ireo dia porofo fa tsy tokony ho simbaina ny ala. “Ny fanafody rehetra izay vidiana amina volabe, aman’hetsiny, aman-tapitrisany any amin’ny farmasia dia hita aty avokoa ny akora fototra hanaovana azy”, hoy izy. Manamafy izy fa “hafa ny miaina miaraka amin’ny harena voanjanahary, miavaka ny fiainana, tsy misy manakorontana, tsy misy manakotaba. Mamelombelona aina ny rotsirotsin’ny voron-kely sy ny rivotra”.

Mitondra  fahasoavana

Dadilahy Ratsimbazafy Boniface dit Raboana – Ampatsy Ampangabe

Fomba amam-panao eto Ampangabe ny manao joro eny amin’ny riandranon’i Andriamalaza. 45 minitra miala ny ala fady no misy io toerana io. Tafiditra ao anatin’ny toerana antsoina hoe: Varona ny misy  ala  fady sy ny riandrano.  Isan-taona, rehefa manome toromarika i Dadilahy  Ratsimbazafy Boniface na Raboana fa  tonga ny fotoana  fandehanana eny dia mankeny avokoa ny olona te hangatam-pitahiana na hanao fisaorana. Toerana fidiovana ialana amin’ny ratsy ihany koa ny riandrano. Fombafomba atao mialoha ny zava-drehetra ny fanaovana sorona, mamono ondry na vorona na akoho…Dadilahy Raboana no tomponandraikitra amin’izany.

Varona

“Ny Anjara asako amin’ny fiarovana ny ala dia izaho mandray andraikitra amin’ny fitsaboana nentim-paharazana amin’ny alalan’ny ny raokandro malagasy. Manatsara ny zanak’olombelona amin’ny alalan’ny herin’ny rano sy voanjanahary ao amin’ny toerana Varona. Io toerana io misy ala”, hoy i Dadilahy Raboana, manazava ny andraikitrany amin’ny fiarovana ny ala ao kaominina Ampangabe. Tena saropiaro amin’io toerana io ny mponina ao Ampangabe. Antony iray tsy maha potika ny ala fady sy ala voanjanahary manodidina ny riandrano io fomba amam-panao io. Rano avy any amin’ireo ala ao anatin’ny faritra arovana Tandavanala Ambositra Vondrozo (COFAV) no mikoriana ao amin’ny riandranon’i Andriamalaza ary manondraka ny tanimbary sy ny lohasaha rehetra ao Ampangabe fa indrindra ampiasain’ny mponina amin’ny fidiovana sy fanadiovana ary rano fisotro. “Tsy maintsy arovana izany ny ala satria ao no mitahiry ny rivotra madio sy ny rano madio ary miantoka ny fahasalaman’ny olombelona satria ao no misy ny tahirim-panafody”, hoy i Rafaralahy Fabien.

Tandavanala Ambositra Vondrozo – COFAV

Mirefy 314 .186 ha ny velarantany misy ny COFAV. Misandrahaka amin’ny faritra 6 eto Madagasikara: Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Atsimo Atsinanana, Ihormbe, Vatovavy ary Fitovinany. Distrika 10 amin’ireo faritra ireo no mandrafitra azy, izay ahitana kaominina 45. Ao anatin’izany ny kaominina Ampangabe, distrikan’i Lalangiana. Ny Vondron’olona ifotony (VOI) no mitantana ny faritra arovana amin’ny alalan’ny fampindram-pitantanana ny harena voanjanahary ary eo ambany fanarahamaso ny Conservation International (CI). VOI 120 no miasa amin’ny fiarovana ny COFAV. Ny VOI Mitsinjo no mitantana ny faritry ny COFAV ao Ampangabe. Vao nitsangana ny VOI Mitsinjo ny taona 1999 dia tsy niraviravy tanana i Rafaralahy Fabien fa tonga dia nandray andraikitra. Namporisika azy rahateo ny fokonolona noho ny fahafantaran’izy ireo fa tia miaro ny tontolo iainana izy.  Nitana ny anjara asan’ny sekreteran’ny biraon’ny VOI izy, vao 18 taona izy tamin’izany. Mbola noporofoin’i Fabien tamin’ny fambolen-kazo ihany koa ny fitiavan’ny zavaboahary. Nahavita namboly hazo tamin’ny velarantany valo (8) hektara izy. Nanomboka ny taona 2001 ka hatramin’ny taona 2023 izy no namboly hazo teo amin’ny tendrombohitra mifanakaiky amin’ny toeram-ponenany. “Rakotra bozaka sy vatovato io toerana io taloha. Ankehitriny, ilay vatobe sisa no tazana fa rakotra ala avokoa izy rehetra”, araka ny fanazavany.

Miandahy miambavy ny tanora miaro ny karajavamananaina

VOI AMI – Miarinarivo Ambalavao

Manan-karena tanora mahery fo mpiaro ny karazajavamanaina tahaka an’i Fabien ihany koa ao Miarinarivo. Taza-maso avy ety Ampangabe ny vohitra an’i Miarinarivo, 56 km miala an’Ambalavao Fianarantsoa. Tafiditra ao anatin’ny faritry ny COFAV, faritra Matsiatra Ambony ity kaominina ity. Anisan’ireo faritry ny COFAV mbola rakotr’ala voanjanahary, betsaka zavamaniry sy biby tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ny atiala eto Miarinarivo. Ahitana hazo ala toy ny “palissandre”, zavamaniry toy orchidée ary zavamaniry fatao fanafody toy tohitohy…ao an-toerana. Toerana ahitana gidro betsaka ihany koa, ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ihany koa. Vondron’olona ifotony (VOI) miisa efatra (4) no miandraikitra faritry ny COFAV eto Miarinarivo: FITEMA, ALFA, AMI… Miandraiktira ny fitantanana ny faritry ny COFAV ao amin’ny fokontany Soamanandrariny ny VOI Ambohibalo Miray (AMI). Feno tanora mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny karajavamananaina ao anatin’ny VOI AMI. Raha 490 ny mpikambana ao amin’ny VOI AMI dia tanora avokoa ny 300 amin’izy ireo, araka ny fanazavan’i Ralivao François, Filohan’ny Fikambanana. Rafitra iray ao anatin’ny fikambanana ny polisin’ala. Tanora avokoa ny polisin’ala misahana ny fiarovana ny faritry ny COFAV, tantanin’ny VOI AMI.

Miandahy miambavy mihitsy izy ireo, tahaka an’i Njakatiana Jean Richard – tovolahy 23 taona, Andriamanantiana Fanomezantsoa – tovolahy  33 taona, ary Nomenjanahary Pierrette – tovovavy 22 taona dia nilatsaka an-tsitrapo ho polisin’ala.  Isam-bolana, mandeha misafo ny atiala miaraka amin’ny Filohan’ny VOI izy telo mianadahy. Miasa mandritra efatra (4) andro misesy izy ireo ao anatin’ny ao anatin’iray volana.  Mirefy 3000 ha ny atiala hanaovan’izy ireo fisafoana “tsy maintsy atao izay hamangiana izany”. Mahavita dian-tongotra manditra adiny enina (6) ka hatramin’ny adiny valo (8) isan’andro eo ireo polisin’ala rehefa manao fisafoana ala. “Ny fisafoana ala izay ataonay dia miasa adiny enina (6) isan’andro. Efatra (4) andro izahay no aty anaty ala dia matory aty anaty ala mandritra telo (3) alina”, hoy i Nomenjanahary Pierrette manazava ny asa ataony eo am-pandehanana anaty ala sady manohy ny diany ihany fa mbola hanohy fisafoana ala. Roa taona teo no naha polisin’ala an’i Pierrette. “Mahatonga ahy mirisika ny misafo ala dia mba hiaro ny tontolo iainana tsy ho simba”, hoy izy mamaly ny antony nahatonga azy ho polisin’ala.  Milahatra ao aorinany ao i Njakatiana sady mandeha no mitodika havia sy havanana ary niteny avy eo: “ ny fisafoana ataonay voalohany  indrindra dia manaramaso ny zavamisy aty anatin’ny ala, mijery ny tsindry toy ny fikapana hazo, fitrandrahana tsy ara-dalàna na fakana zavatra taty anaty ala  na biby na zavamaniry tsy nahazoana alalana”. Manohy ny diany hatrany i Pierrette sy i Raliva, mamakivaky ny lalan-kely ao anaty ala mikitroka. Efa nahavita dian-tongotra eo amin’ny 20 metatra eo izy mianaka. Njakatiana kosa mbola nijanona fa nahita vorona miloko mainty eo ambony hazo, mitsaingoka ilay voan’ny hazo.  Miezaka maka sarin’ilay vorona izy. Nambarany fa ankoatra fijerena ireo tsindry sy fakana sary izany  dia  manaramaso ireo zavamaniry sy biby anaty ala ihany koa izy ireo ary maka sary izany. Nandritra ny roa (2) taona sy dimy (5) volana teo no polisin’ala i Njakatiana. Nambarany fa ao anatin’ny asan’izy ireo ihany koa ny fanentanana ny olona ao anatin’ny faritra arovana. “Misy olona mipetraka ato anatin’ny ala ato dia manentana azy ireo izahay mba tsy hitrandraka ao anatin’ny atiala izahay fa hiova seha-pihariana hafa mba ahafahana mivelona. Ny fihazana tantely anaty ala ohatra dia anisany mahapotika ny ala satria kapaina ilay hazo misy tranon’ny tantely. Manimba hazo eo amin’ny 10 eo rehefa mihaza tantaly satria rehefa mianjera hazo be misy ilay tantely dia simba izay hianjerany ary simba ireo hazo ala”, hoy izy. Sady manazava amin’ireo mponina ny antony hiarovana ny atiala sy hitantanana maharitra ny ala ireo polisin’ala arak’izany no mampafahafantatra azy ireo ny lalàna mifehy ny ala sy ny sazy raha toa ka manao fandikan-dalàna. Tsara ho fantatra fa faritra arovana sokajy fahadimy na endrin-tanàna mirindra arovana (Paysage Harmonieux Protégée) ny COFAV. Ahitana mponina ao anatin’ny faritra arovana saingy voafaritra mazava ao anatin’ny bokin’andraikitra famindram-pitantanana  ny atiala (3409,46 ha) , ny faritra ivelomana arahimaso (4247,58 ha), faritra fambolenkazo (170, 85 ha) , faritra hanaovana fizahatany (2,24 ha, faritra arenina (201, 23 ha) , faritry ny zo nentim-paharazana na fakana hazo ampaisaina amn’ny fiainana andavanandro (181,29 ha). Tarehimarika ho an’ny faritry ny COFAV tantanin’ny VOI ireo anaty fononteny ireo. Manome tohana ireo polisin’ala ahafahan’ireo polisin’ala manatanteraka ny asany ny CI. “Mampiasa GPS ny polisin’ala, misy pile miaraka aminy ary fiche iasana hanaovana tatitra. Manome fitaovana entina mianala toy ny trano lay, gilet… Maromaro ny fitaovana ho entin’izy anaty ala fa ny CI no manome an’izay. Ny fampiofanana ny polisin’ala ihany koa tafiditra ao anatin’izay”, hoy i Rakotomalala Lovasoa, Tompanandraikitra misahana ny ala ao amin’ny faritra arovana COFAV. Mamonjy ny sisin’ala na tanàna manakaiky ny ala i Njakatiana, Fanomezantsoa, Pierrette ary Ralivao, Filohan’ny VOI AMI fa hariva ny andro. Mamelatra ny trano lay atoriana izy telo lahy ary Pierrette kosa mampirehatra afo sy manokona ny sakafo hariva. Manao ny tatitra na mamintina ny asa vita izy ireo mandra-pamasaky ny sakafo. Vao mangiran-dratsy dia efa mifoha indray mahandro sakafo ary mampirina ny entana avy eo ary lasa manohy ny dia.

Nifanandrina tamin’i Goliata

Tsy misambotra ireo polisin’ala raha mahita olona manao fandikan-dalàna anaty ala. Manao tatitra ny zava-misy amin’ny Filohan’ny VOI kosa no anjara asan’izy ireo. Mandray fanapahan-kevitra ny Filohan’ny VOI avy eo ary mampiantso ilay olona tratra sy mampihatra ny dina. Ho an’ny VOI AMI, arakaraka ny velarantany may na toerana nanapahana hazo ny dina. 4000 Ariary isaky metatra no sazy raha tavy na doro tanety sady mamboly hazo eo amin’ny velarantany nanaovana fandikan-dalàna. Raha mihoatra ny fahefan’ny VOI ny raharaha dia midina eny ifotony ny tomponandraikitra eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (DREDD). “Manao tatitra isan-taona, isam-bolana aza raha ny tena marina ireo ny Filohan’ny VOI. Tokony hanao tatitra farak’izay haingana aty amin’ny Fanjakana ireo polisin’ala mba ahafahan’ny tomponandraikitra mihetsika farak’izay haingana izay tsy fanarahan-dalàna izay. Midina ifotony izahay mijery ilay izy, inona marina ny zavamisy. Raha misy moa tratra ambodiomby dia mitarika fisamborana izany.  Anjaran’ireo Officier de Police Judiciaire no manao fanadihadiana sy manohy ny raharaha eny amin’ny fitsarana”, hoy i Rabotovao Mamisoa, Talen’ny DREDD Matsiatra Ambony.  Nanamafy ihany koa i Ratokomalala Lovasoa – Tompanandraikitra  misahana ny ala ny ao amin’ny CI fa “ao anatin’ny bokin’andraikitra io dia manana rafitra manokana  ny VOI. Ohatra, ny polisn’ala no manatanteraka ny fisafoana ala ary manao tatitra any amin’ny Filohan’ny VOI izy ary ity farany no mampiakatra izany aty amn’ny CI sy mankany amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy”. Ho an’ny VOI Mitsinjo ao Ampangabe, vao roa no tratra tao anatin’ny teo anelanelan’ny taona 2022-2024. “Vita tato anatin’ny biraon’ny VOI ny iray ary nakarina tany amin’ny tomponandraikitry ny al aka hatramin’ny tribonaly ny iray”, hoy i Rasabotsy Pierrano, polisin’ala ao amin’ny VOI Mitsinjo. Rehefa nandeha nisafo ala izy ireo dia nahatratra olona nitaona hazo tao anaty atiala. Narahan’izy ireo ny dian’ilay mpitondra hazo ary nahita fiara tsy mataho-dalana (4X4), mipetaka amin’ny takela-by mena ny laharany (plaque rouge) izy ireo, ametrahana ireo hazo taterina. “Nalaina sary ilay fiara dia nalefa tany amin’ny tomponandraikitry rano sy ala ny tatitra.Niady tamin’ny Goliata izahay tamin’izany.”, hoy i Rafaralahy Fabien, Filohan’ny VOI Mitsinjo, mitantara ny tranga nisy tamin’ny faran’ny taona 2022. Nandeha ny fanadihadiana, niakatra tribonaly ny raharaha ary nisy ny voasambotra. Efa ho 12 taona i Fabien no nitantana ny VOI Mitsinjo. Ny taona 2012 izy no voafidy ho Filoha.  Tsy teo izy tamin’ny fotoanan’ny fifidianana fa ny mpikambana maromaro no nanolotra ny anarany ho kandida noho ny fahitan’izy ireo ny traikefa nananany sy asa vitany tamin’ny fiarovana ny zavaboahary. “Ny traikefa moa tena ilaina, ahafantarana ny tokony atao sy afaka mitarika. Efa mpikambana teo taloha ihany izy tamin’ny fotoana iny.Tsy teo izy tamin’ny fotoanan’ny fanavaozana ny birao fa ny eritreritran’ny vahoaka dia izy no mety, afaka hitondra hevitra, hiaraka hidinika ahitana fampandrosoana. Izy no lany”, hoy i Rakotozafy Jean Pierre, Raiamandreny, 70 taona, mpikambana ao amin’ny VOI Mitsinjo  mitantara ny zava-misy nandritra ny fifidianana Filohan’ny VOI. “Tongareo ny alatsinainy satria alahady tolakandro no nanaovana  ny fifidianana dia izay zareo vao niantso ahy hoe tongava aty amin’ny birao ianao fa ianao no voafidy ho filohan’ny VOI dia izay aho vao gaga hoe: hay ve nisy an’izany ! Nanomboka teo aho tsy nialangalana fa tonga dia nandray andraikitra hanao ny asa fanarahamaso sy fitantanana ny harena voanjanahary”, hoy i Fabien. Roa ny kandida tamin’izany: ny Filoha teo aloha no mpifanandrina taminy.

Mihatra aman’aina ny asan’ny polisin’ala sy ny FIlohan’ny VOI

Njakatiana Jean Richard – VOI AMI Miarinarivo Ambalavao

Misedra olana ireo polisin’ala sy Filohan’ny VOI amam-panatanterahana ny asany. Mihatra aman’aina mihitsy aza. Ankoatra  ny fitafy sy lamba firakotra dia mivimbina ny sakafo hohanina mandritra fotoam-piasana ireo tanora polisin’ala telo mianadahy sy i Ralivao, Filohan’ny  ao amin’ny VOI AMI, ao amin’ny faritry ny COFAV Miarinarivo, Ambalavao Fianarantsoa. “Izahay aloha tsy voakarama mihitsy aty fa dia fanentren-tena tanteraka no hanaovanay ny asa.  Manetry tena izahay ho fandraisana anjara biriky amin’ny fitantanana ny ala mba fanampiana  zareo eo anivon’ny VOI. Ny olana ao anatin’ilay izy anefa lany fotoana izany aho mandritra ny 4 andro. Izahay koa mianto-tena midina aty”, hoy i Njakatiana Jean Richard, polisin’ala.  Mahazo solon’andro 10.000 Ariary  isan-andro ihany ry zareo, araka ny fanazavany. Izany hoe: 10.000 Ariary isan’andro, mandritra ny 4 andro (40.000 Ariary isam-bolana). Rehefa vita anefa ny asa vao azo izany.  “Mahatsapa hoe somary tsy ampy izany satria marobe ny zavatra vita”, hoy izy. Ankoatran’izay, manampy trotraka ny sedra mahazo rehefa mandeha misafo ala. “Iarahantsika mahita ny olana ao anatin’ity ala ity: misy ireo hazohazo maro isan-karazany, misy fiakarana, fidinana.  Tsapa fa mafy dia mafy ny miaina ireny zavatra ireny. Ny toetrandro koa moa etsy andaniny, tena manampy trotraka rehefa merika ny andro, avy ny orana. Iny no tena ady iny , ato anaty ala ato. Tena hahatsapana ny mangidy tanteraka iny avy orana iny”, hoy izy.

Pierrette Nomenjanahary – VOI AMI Miarinarivo Ambalavao

Nilaza ihany koa  Pierrette Nomenjanahary, tovovavy polisin’ala fa “misy  ala tsy mba misy lalana fa rakotra tsilo ny lalana ombana.  Vokany, lasa maradratra avy ny tena”. Iharan’ny fandrahonana ihany koa izy ireo. “Tena mahazo fandrahonana izahay amin’ny asanay satria izahay manentana ny olona  dia tsy tian’ny olona  izahay mandrara azy amin’ny asa ataony. Manentana ny olona izahay hoe: aza mitevy ala! Izao no havalin’ny olona azy: inona no iainanay aty anaty ala rehefa tsy hitevy izahay na hitrandraka?”, hoy i Pierrette maka aina eo am-body hazo sady mikopakopaka ny tarehiny amin’ny satroka fa avy niaka-piakarana.

Nanamafy i Rafaralahy Fabien, Filohan’y VOI Mitsinjo fa mahazo fandrahonana izy ireo amin’ny andraikitra sahanin’izy ireo. “Ny olana sedraina aloha izany dia ny ady amin’ny tambazotran’ny mpitrandraka ala. Io izany anisany zavatra sarotra fa mila manana fahasahiana sy finiavana rehefa hanao zavatra. Araka izay hoe miady amin’ny tambazotra mpitrandraka ala  izay,  mba ampanginana ny madinika dia tsy maintsy ny ngeza no velesinay. Atao izay hahatratrarana ny tambazotra mpandika lalàna  tena ngeza be dia mangina ho azy ny madinika rehefa tratran’izay”, hoy izy manazava ny fomba fanaon’ny VOI Mitsinjo iarovana ny atiala. “Tena nahazo fandrahonana izahay tamin’izany fotoana izany na ny lokona moto aza novaina”, hoy hatrany izy mitantara ny sedra nahazo azy nandritra ny fahatratrarana ireo tamnbazotra mpitrandrak’ala , ny faran’ny taona 2022. Nambaran’i Rasabotsy Pierrano, polisin’ala ao Ampangabe fa manao tatitra foana izy ireo na “olona aty ambany na olona ambony no tratra mandika lalàna”. Manome tohana ireo mpikambana anaty VOI ny Conservation International mba tsy hanimba ny ala sy ahafahan’izy ireo mivelatra ara-toekarena. “Eo amin’ny tohana fampivelarana ara-toekarena dia manome masomboly, fampiofanana ara-teknika  hampitombo ny fiveloman’izy ireo ny CI. Masomboly haingam-piodina tahaka ny tsaramaso, ovy, vary no zaraina.  Misy koa ny ny voly maharitra, toy ny jirofo,nykafe.Teknika marobe no omen’ny CI toy ny agroécologie, agroforesterie , indrindra ny fomba fambolena ahafahana miatrika ny fiovan’ny toetrandro”, araka ny fanazavan’i Rakotomalala Lovasoa, tomponandraikitry ny ala ao amin’ny COFAV. Tamin’ny alalan’ny tetikasa “Tontolo voanjanahary lovainjafy aty amin’ny ilany Atsinanana Madagasikara”, novatsian’ny Climate Green Fund (GCF) vola ny tohana nomena azy ireo. 15.000 olona no nahazo tohana fanatsarana  ny velontena sy teknikam-pambolena ho an’ny COFAV nandritra ny dimy taona (2018- 2023).  Ankoatra maha polisn’ala ala an’i  Andriamanantiana Fanomezantsoa dia tantsaha  mpampiofana ihany koa izy. “Ny antony tena nanosika ahy amin’ny fiarovana ny ala dia nodinihako ny fiainan’olombelona tsy afaka misaraka amin’ny karazajavamananaina. Izahay  tantsaha mpamboly aty tena mampiasa rano amin’ny resaka fambolena.  Fisian’ny atiala iny  dia misarika orana  ary mitahiry rano be dia be io atiala ahafahanay mamboly”, hoy izy . Manentana  ny olona hampihatra ny teknika fambolena no ataony. Nampiofana azy ireo ny teknisian’ny  CI  ary ireo tantsaha mpampiofana no mampita izay mpikambana.  “Ny olana amin’ny fampiofanana ny tantsaha dia olona sasany  tsy dia mivakiloha amin’ny teknika omenao azy. Tsy kivy amin’izany  fa dia miezaka ihany manentana ny olona”, hoy izy. Anisany nisitraka ny tetikasa “Tontolo voanjanahary lovainjafy aty amin’ny ilany Atsinanana Madagasikara” ihany koa ny faritra arovana Ankeniheny Zahamena (COCAZ). Mahatratra 23.800 mpisitraka ny tetikasa raha atambatra.

Nihena ny Tsindry

Na dia mandalo sedra, miaina fandrahonana aza ireo polisin’ala sy Filohan’ny VOI dia tsy maha kivy azy ireo izany fa dia manohy ny asa efa nekena izy ireo. Nitonda fandresena sy vokatsoa ny ezaka nataon’izy ireo. Nihena ny tsindry tao amin’ny faritra arovana COFAV noho ny  fandraisan’andraikitr’ireo VOI tamin’ny fisafoana  ny ala. “Taorianan’ilay nahatratrarana ilay deba be iny izany dia nihena ny tsindry. Iny izany no zavatra nataonay tena nisy akony  be dia be tamin’ny fiarovana satria goliata be aza io resin-dry zalahy dia mangina ny sisa”, hoy i Rafaralahy Fabien. Nilaza ihany koa i Nomenjanahary Pierrette fa mihatsara ny asan’izy ireo satria mihena ny tsindry ao anatin’ny ala. “Dimy(5) volana voalohany niasana dia nananosarotra fa tsy mbola resy lahatra ny olona fa dimy (5) volana mihoatrakosa dia nihena ny tsindry. Azo tsapain-tanana satria na ny tevy aza tsy dia nisy akory, ny fanapahana hazo madinika no tsy foana tanteraka”, hoy i Njakatiana Jean Richard. Nanamafy ny teo anivon’ny Conservation International fa nihena ny tsindry tao amin’ny COFAV. “Nahitana fihenan’ny tahan’ny fanimbana ala satria raha tamin’ny taona 2018 dia 3, 4 % ny izany  ary nihena ho 1,04 % ny 2023”, hoy i Rakotomalala Lovasoa. Anisany nampihena ny tsindry ihany koa ny fiofanana momba ny teknikam-pambolena nomena ireo mpikambana ao anatin’ny VOI. “Taloha izy ireo raha zatra nampiasa afo dia efa tsy mampihatra an’izay  fa mampiasa ny teknika manaraka ny fiovan’ny toetrandro, toy ny agroécologie sy ny agroforesterie””, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny ala ao amin’ny COFAV hatrany. Resy lahatra ihany koa ny mponina ao Ampangabe sy Miarinarivo fa tena ilaina ny fiarovana ny atiala. “Ho tohizana ny fiarovana  ny ala fa mahazo tsombontsoa izahay fa betsaka ny rano”, hoy i Ravololonirina Ernestine, tantsaha mpikambana ao amin’ny VOI AMI, Miarinarivo. Manana ny hetahetany ireo polisin’ala sy Filohan’ny VOI mba hanohizana ny fiarovana ny ala. “Tokony misy fandraisana an-tanana ary tena mahavoavidy ny andronay tanteraka ary tena mahasolo ny asasaranay sy ny hatsembohanay mandeha aty”, hoy i Njakatiana.  Mahatsapa izy fa voangeja ireo mponina manodidina ny ala satria tsy misy seha-pihariana ataon’ny zareo kanefa raràna tsy hanimba ny ala. Io no mahasarotra ny fanentanana. “Ny hetahetanay mba hitomboan’ny resaka fampiofanana sy fanohanana ny tantsaha indrindra ny tanora tsy mahita asa”, hoy ny hafatr’i Fanomezantsoa.  Manana tetikasa momba ny fizahantany ny VOI Mitsinjo. “Efa voavolavola ny tetikasa. Ny hetahetanay tiana ampitaina amin’ny fanjakana dia izahay manana tetikasa hanokatra toeram-pizahantany aty Sahasimpona. Mba tohano ny tetikasanay satria hihatsara ny fari-piainan’ny isan-tokantrano, hitombo ny  fidiram-bolan’ny tsirairay rehefa tonga aty ny mpizahantany”, hoy i Rafaralahy Fabien. Manentana ny tanora ihany koa i Fabien mba hanao tahaka azy. “Tsy hisy resaka be atao io fiarovana tontolo iainana io raha mana tahaka an’i Rafaralahy Fabien ny tanora rehetra fa samy mandray anjara mavitrika”, hoy izy. Tsy ny mponina manodidina ny COFAV ihany no mahazo tombontsoa amin’ny fiarovana ny arovana fa ny mponina ao Fianarantsoa sy manerana an’i Madagasikara ary manerana izao tontolo izao. Tafiditra ao anatin’ny ala mando ny Tandavanala Ambositra Vondrozo ka miainga ao amin’ny faritra arovana ny ankabeazan’ny renirano manondraka ny ilan’ny andrefana sy atsinanana ny faritan’i Fianarantsoa. Tsy vitan’izany fa anisany mitahiry ny etona mangeja hafanana ireo ala ao anatin’ny faritra arovana ary mandray anjara betsaka amin’ny ady amin’ny fikorontanan’ny toetrandro. Mitondra fampandrosoana ara-toekarena ihany koa ny fisian’ireo biby sy zavamaniry tsy hita afa-tsy eto Madagasikara (endémique) izay misarika mpizahantany. Miantoka ny fahasalaman’ny olombelona ny fananany zavamaniry fatao fanafody. Antony lehibe iarovana azy izany. Miasa mafy ireo Vondron’Olona Ifotony amin’ny fiarovana ny COFAV. Moa va tsy izy ireny no tokony tohanana bebe kokoa? Rehefa fananam-panjakana ihany ireo faritra arovana, nahoana tokoa raha atao mpiasam-panjakana ireo mahery fo ny mpiaro ny karazajavamananaina eny ifotony, toy ireo polisin’ala syn y Filohan’ny VOI?

Lynda A.

Horonantsary: