FIAROVANA NY ZON’NY VEHIVAVY ATY AFRIKA: 21 taona aty aoriana, tsy mbola mbola nankatoa ny Protocole de Maputo i Madagasikara

Fifanarahana momba ny fiarovana ny zon’ny vehivavy aty Afrika ny « Protocole de Maputo ». Efa nanasonia io fifanarahana mikasika ny sata afrikanina momba ny zon’olombelona sy ny vahoaka mifandraika amin’ny zon’ny vehivavy io i Madagasikara, ny volana febroary 2004,  saingy tsy mbola nankatoa na nampihatra izany, 21 taona aty aoriana. Ahitana andalana 32 ny PM ary  miresaka ny fiantohan’ny fanjakana ny zon’ny vehivavy. Voalaza ao amin’ny andininy faha-26, andalana faharoa fa manaiky ny fanjakana fa handray fepetra ilaina ary handrafitra tetibola mifandraika amin’izany filàna izany, ho fampiharana mahomby ireo zo voafaritra ao anatin’ity fifanarahana ity. Santionany amin’izany ny zo amin’ny fiahiana ara-tsakafo, zon’ny vehivavy maty vady,  ny fiarovana manokana ara-tsosialy ny vehivavy zokiolona, ny fiarovana manokana ny vehivavy manana fahasembanana. Miresaka momba ny fiarovana  ny zo amin’ny fahasalamana sy fanarahamaso ny fiainana ara-pananahana ohatra ny andininy faha-14. Voafaritra ao amin’ny andalana faharoa  fa ny fanjakana no mandray ireo fepetra araka ny tokony ho izy ahafahana : (a) miantoka ny fidiran’ny vehivavy amin’ny tolotra ara-pahasalamana sahaza, amin’ny sandany mirary sy amin’ny toerana akaiky azy, tafiditra ao anatin’izany ireo fandaharam-potoana hanomezanaa fiofanana momba ny fanabeazana sy ny fifandraisana ho an’ny vehivavy, indrindra ireo eny ambanivohitra, (b) manolotra sampandraharaha misahana ny fandraisana an-tanana ny vehivavy mialoha sy aorian’ny fiterahany, misahana ny ara-tsakafo mandritra ny fotoana hitondrana vohoka sy ao anatin’ny fampinonoana ary miantoka ny fanatsaràna ny servisy efa misy. Ny tapany (c) ao amin’io andalana io no maha be resaka sy sakana tsy hankatoavin’i Madagasikara ny PM. Miresaka momba fiarovana ny zon’ny vehivavy ara-pananahana, indrindra ny fanomezana alalàna ny fampitsaharana vohoka ara-medikaly, raha toa ka vohoka azo avy amin’ny herisetra ara-pananahana, na fanolanana, na firaisana ara-nofo  mamoafady (inceste) na koa raha mampidi-doza ny fahasalamana ara-tsaina, ara-batan’ilay reny, na ny ain’ilay reny na ny ain’ilay zaza ao an-kibony, ny fitondrana vohoka io andalana 2c io.

 “Tena ilaina ny fampiharana ny Protocole de Maputo satria miaro ny zon’ny vehivavy. Misy andininy maro ao anatin’ny fifanarahana, marobe ny zon’ny vehivavy ao fa tsy resaka fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana (ITG) ihany”, hoy i Lolonirina  Nivoseheno Jessica, mpikambana ao amin’ny Forum Génération Egalité (FGE). Nankatoavin’ny fivoriambe faharoan’ny fihaonambem-pirenena tao Maputo, ny 11 jolay 2003 ny Protocole de Maputo. Firenena 44 mpikambana ao amin’ny  Vondrona Afrikanina (UA) no efa nankatoa izany ary Madagasikara ao anatin’ireo firenena 11 tsy mbola nampihatra azy ity. “Tombony lehibe ho antsika ny fankatoavana io fifanarahana io satria voasahana ao daholo ny zon’ny vehivavy. Hita fa ny firenena rehetra nampihatra izany dia misy fivoarana be fa ireo firenena tsy mbola nampihatra izany kosa dia voakilasy ao anatin’ireo firenena manerantany ho manana taha ambony amin’ny hanoanana, ao anatin’izany i Madagasikara”, hoy i Raparaoelina Tendry, mpikambna ao amin’ny FGE. Isaky ny volana jolay tahaka izao dia manao hetsika fampatsiahivana sy fanairana ny fanjakana ny FGE fa mila ankatoavina  ny Protocole de Maputo. Nikarakara hetsika fihaonana tamin’ny mpanao gazety mivondrona ao amin’ny tambazotran’ny haino vaky jery aman-tranokala, eto Afrika, mikirakira ny vaovao momba ny fahasalamana sy tontolo iainana (REMAPSEN), sampana eto Madagasikara ny fikambanana ny 17 jolay 2024 ho fanamarihana izany.

Lynda A.