FIER MADA ANDIANY FAHA-20: Hitondra tantsoroka ho an’ny tantsaha

Nosafidiana manokana ny kianjan’ny MAKIS Andohatapenaka hanatanterahana ny Fier Mada andiany faha-20. “Nitombo ny mpandray anjara tamin’ity andiany ity satria 350 izany tamin’ny taon-dasa  ary niakatra 400 isa”, hoy ny filoha mpanorina ny hetsika, Jacques Ramanantsoa.  Hampivondrona  ireo tantsaha mpamokatra manerana ny faritra 22, mpivarotra fitaovam-pamokarana sy ireo mpiantsehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana ity tsenaben’ny tantsaha ity. Ny 01 ka hatramin’ny 05 Aogositra 2018 ho avy izao ny daty voatondro amin’izany.

Tapaka tamin’ny loa-bary an-dasy nandritra ny andiany faha-19 fa “tantsoroka eny ifotony sy mifanaraka amin’ny tontolo iainana isam-paritra” ny lohahevitra nampisalorana ny andiany faha-20. Nambaran’ny mpikarakara fa betsaka ny fikarohana kanefa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy  isaky ny  faritra eto Madagasikara izany. Ho dinihina mandritra ny loa-bary an-dasy  ny tantsoroka tokony omena ny tantsaha  izay mifanaraka amin’ny tontolo iainana misy azy.

Miavaka ity andiany ity, hozaraina mari-pankasitrahana ireo mpandray anjara rehetra. Maimaim-poana ny  fidirana amin’ny andro voalohany, tapan’ny maraina. 1500 Arairy kosa aorian’izay. Mpitsidika 60.000 no handrasan’ny mpikarakara ho tonga mandritra io dimy andro hanaovana io hetsika io.